Haino amanjery VIVA – Mangataka ny tsy handoavany hofantanin’ny kaominina

Helisoa

Nihaona tamin’ny tompona haino amanjery patron de presse ao Fianarantsoa izay manana antenne ao Ikianjasoa ny ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa aminy ny 1 septambra 2020 lasa, mikasika ny resaka tokony handoavan’ireo tompona haino amanjery ny hofantany ampiasain’izy ireo. Taorian’izany, nisy ny taratasy nalefan’ireto farany ho an’ny kaominina “fandavana ny handoavana ny arriéré hofan’ny tany ao Ikianjasoa”. Ny VIVA haino amanjerin’ny filohan’ny repoblika ao Fianarantsoa no isan’ny mangataka ny tsy handoavana io hofantanin’ny kaominina io.

Raha ny vaovao miparitaka dia efa nanomboka ny taona 2011 ity haino amanjerin’ny mpitondra ity no efa tsy nandoha ny vola tokony alohany izay misimisy ihany izany raha atao ny kajikajy tsotsotra satria 20 millions isantaona ny hofany.

Koa mipetraka eto ny fanontaniana. Hay ve ka afaka mangataka amin’ny kaominina tsy mandoha hofantany ihany rehefa ny VIVA onjampeon’ny mpitondra no manao izany e? Ny MBS mantsy nandoha ny vola hofany tokony alohany ihany nefa dia fandroahana no mahazo ity onjampeo nahorin’ny filohan’ny mpanohitra Marc Ravalomanana ity eny Anosipatrana izay tanin’ny kaominina ihany koa.