ADALA MPANOLOTSAINA ?

Rehefa ireo olona mpanolotsaina
No sefon’ny bizina ety an-tanàna,
Dia mieritrereta ry filoha hajaina,
Fa efa hirodana ny fitondrana.

Fandoto iray tandroka ny toy izany,
Ka dia manapoizina ny mpianakavy.
Lazaina fa loza tsy roa aman-tany,
Satria ny ao an-trano ihany no mpamosavy.

Tsy hanoro hevitra no imasoany.
Tsy ‘zany tsy akory no be ao an-tsainy.
Ny hameno paosy no tena ijoroany.
Talentany ireny, tsy atoro fa hainy.

K’aleo re ny zanaka, hono, no adala,
Toy izay ireo voafantina hanolo-tsaina.
Esory malaky mba tsy ho ao am-bala
Ireo ratsy fa sao dia haningotra ny aina.

TSIMIMALO