10 Septambra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao : arakaraka ny hitondrany fanazavana no vao mainka mitondra ny ministry ny atitany anaty RIDICULE. Lazainy fa secret d’Etat hono ireny ary dia hanao enquête izy. O ray olona, izy indray no miseho victim.

Milaza koa nefa izy fa DON ireo entana ireo.
●DON ve ho secret d’Etat rangahy ity a!!
●DON ve hisy factures détaillées.
●DON ve nefa tsy figuré akory ny anaran’ny donateur.

Tena efa mamohehatra loatra, tsy vitan’ny hoe RIDICULE fa tena NAUSÉABOND.
Na ny zavatra lazainy aza contradictoire daholo.

Dia tohizo ihany ny fieritreretana ny Malagasy ho bado… tohizo…wait and see…
Mampianatra ny taranaka tsy hanana morale intsony ireto, fa efa toa jiolahy daholo.
Tsy misy firenena vanona, ary tsy mieritreritra hanangana olombanona fa tena toa gangs au pouvoir.

Ary ny institutions rehetra dia responsables ao anatin’izany: Bianco, Justice…
Ny tena Marina dia izao, efa fantatra fa lainga marivo tontotra daholo no entina hanamarinana iny halatra bevata iny ary minia mangina daholo ny complice rehetra satria isan’ny tena tomponantoka ny amin’ny doublons io, ka sao mibaradaka eo raha roahina.
Ireny no atao hoe Poste takalopatsa.

Izy milalao miliara noho ny fahorianao ry Malagasy.

Nazim Badouraly
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao