Fifidianana – Manaiky ny kitoatoa amin’ny fifidianana Loholona ny CENI

Sôh’son

Vao vita ny fandaniana ny lalàna teny Tsimbazaza sy ny fankatoavan’ny HCC azy, dia mailaka mihitsy ny teo anivon’ny Vaomiera mahaleotenam-pirenena misahana ny fifidianana, na ny Ceni, namoaka datim-pifidianana ho amin’ny fanatanterahana izany. Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao sy olom-pirenena maro ity fihetsiny ity satria iaraha-mahita sy mahalala tsara ny fipetraky ny raharaha manodidina ity fifidianana Loholona ity. Ireo mpifidy lehibe, araka ny lalàmpanorenana, no mifidy azy ireo. Anisan’ireo mpifidy lehibe anefa ny Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina any anivon’ny kaomina manerana ny Nosy. Fantatra tsara, fa mbola misy kaomina tsy manana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Mbola misy raharaha fitoriana eny amin’ny fitsarana momba ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina, efa am-bolana maro tsy misy valiny, fa karazany lalaovina fotsiny tsy asian-teny na kely aza. Raha tsy hiresaka afa-tsy ireo ihany, dia miara-mahita izany fa hisy solontena avy amin’ny kaomina maromaro eto amin’ny firenena tsy handray anjara amin’izany fa ho banga ny azy. Izany hoe tsy ho feno ny isan’ny mpifidy lehibe tokony handray anjara amin’io fifidianana io, izay fifidianana manana ny anjara toerany lehibe eto amin’ny firenena.

Atao an-tsirambina ve izany, ary izay tiana atao eto amin’ity firenena ity no ataon’ny manam-pahefana amin’izany? Hinia hikimpy amin’ny fisian’ny fahabangana ao anatin’izany fifidianana izany ve ny Ceni? Tsy olana ho azy, toy ny efa niasàny tamin’ireo fifidianana rehetra teo aloha tsy tomombana ara-dalàna nanaraka ny rariny sy hitsiny, ny mbola tohizany ankehitriny? Nampiteny ny moana ny fahabangan’ny isan’ny mpifidy sy nanjo azy ireo tao anaty lisi-pifidianana, kanefa nikimpian’ny Ceni fotsiny izao. Nisy mpikambana iray mba niezaka hanitsy ny tsy fahatomombanana sy ny kitoatoa tao anaty fifidianana kanefa ireny niaraha-nahita ireny ny nanaovana azy ary dia voatery nametra-pialàna ny tenany. Moa tsy firaisana tsikombakomba amin’ireo andrimpanjakana hafa ve ity ataony mamoaka daty maika ity?

Ny fifidianana mbola ho avy rehetra izany, raha araka izao zava-misy izao, dia azo heverina mbola ho toy ny rehetra teo aloha ihany. Lalan-dratsy araka izany no itondrana ny firenena.