RMDM – Ho velomina ny kianjan’ny demokrasia manerana ny Nosy

Isambilo

Nivory tao Bel’Air Ampandrana afak’omaly ny avy amin’ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, notarihan’ny filohany Marc Ravalomanana, nahitana ireo lohandohan’ny mpisorona avy amin’ireo antoko mandrafitra ity vovonan’ny antoko mpanohitra eto amintsika ity.

Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany, heverina fa ny fandinihana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana no voaresaka, indrindra ny ady amin’ny valanaretina coronavirus, izay ny mpitondra no nampiditra azy teto, ary valanaretina izay tsy voafehin’ny fitondrana Rajoelina hatramin’izao. Porofon’izany, tsy mety midina hatreto ireo tranga vaovao, mbola misy foana ihany koa ireo mamoy ny ainy. Heverina fa voaresaka tao ihany koa ny paikadin’ny mpanohitra ao aorian’ny fiafaran’ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara.

Efa nanambara ny avy amin’ny RMDM, fa hanao hetsika lehibe izy ireo raha vao tapitra ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana, ho velomina ny kianjan’ny demokrasia etsy Ambohijatovo, hisy ihany koa ny kianjan’ny demokrasia amin’ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy. Zon’ny vahoaka sy ny mpanohitra ny maneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena.

Araka ny nambaran’i Christian Tabera tamin’ny fandaharana Dinika tamin’ny televiziona MBS, tokony hamela malalaka ny mpanohitra haneho ny heviny izay ny mpitandro filaminana, fa tsy hisakana azy ireo, satria raharaha politika izany, tsy tokony hidiran’ny Be Baoty, ny fidiran’ny mpitandro filaminana: miaramila, zandary ary polisy amin’ny resaka politika hoy izy, no mahatonga azy ireo hiditra am-poja amin’ny olana politika eto amin’ny firenena hatramin’izay fitondra nifandimby izay, ka tsy tokony hiditra amin’ny reasaka politika izay ny mpitandro filaminana.