Fifidianana Loholona – Ravao aloha ny Ceni sy ny governemanta vao hatao

Ny senateran’i Madagasikara Olivier Rakotovazaha

Rajo

Hentitra ny Loholon’i Madagasikara, Olivier Rakotovazaha, raha naneho ny heviny momba ny tolo-kevitry ny Ceni, hanatanterahana ny fifidianana loholona eto Madagasikara amin’ny 11 Desambra 2020 ho avy izao. Ravao aloha ny governemanta sy ny Praiminisitra hoy izy, toy izany koa ireo sehatra samihafa momba ny fifidianana toy ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni, sy ireo rantsa-mangaikany manerana an’i Madagasikara.

Ankoatr’izay, dia nilaza ihany koa ity Loholona ity fa feno hosoka ny fifidianana nifanesy teto amintsika, ka mila diovina aloha ny lisi-pifidianana miainga eny amin’ny fokontany. Mila esorina ihany koa ireo voasoratra fanindroany ao anaty lisitra sns…

Ankoatr’izay, dia nilaza ity loholona ity fa tsy matahotra fifidianana akory, fa ny fanadiovana no tokony hatao aloha vao miroso amin’izany satria efa leon’ny hosoka sy ny hala – bato ny vahoaka malagasy. Manginy fotsiny ireo kaominina tsy mbola manana ben’ny tanàna akory, nefa ireo mpanolo-tsaina sy ny ben’ny tanàna no hifidy ny loholona.

Nanamafy hatrany ity Loholona ity, fa tsy matoky intsony ny fitondram-panjakana ankehitriny ny vahoaka, ka tokony ho banjinina amin’izay ny fanjakana tan-dalàna sy manaja ny demokrasia marina eto Madagasikara.