EDITO 8 Septambra – Fampianarana : Hanimba azy ny fampidirana resaka politika

Radafy

Aoka tsy ampidirana resaka politika ny sehatry ny fampianarana. Efa teny averimberina sy miverimberina mandrakariva hatramin’ny taona maro izany, ary mbola tsy maintsy hiverimberina ato ho ato. Ny antony, miha-hita taratra indray amin’izao fotoana izao izany toe-javatra izany. Eo ny fihetsika antematemaka vonjy tavan’andro amin’ny fizarana fitaovana ho an’ny mpanàla fanadinana, fa amin’ny toerana vitsy dia vitsy no anaovana izany ary anaovana resabe amin’ny haino vaky jery manohana ny fitondrana. Teo koa ny fanomezana fanampiana ho amin’ny fidiran’ny mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana, mba ho fanampiana ny ray aman-dreny, hono. Dia toy izay ihany koa no natao tany amin’ny fitaovan-tserasera samihafa. Ankoatra ny zavatra samihafa, vao tsy ela indray koa izao, ary na dia atao somary tsy ivelesana aponga loatra aloha hatreto, dia tsikaritra ny zavatra tiana hahatongavana amin’ny fizarana zavatra amin’ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana. Ao anatin’izany dia tsikaritra mazava ny fampidirana loko politika sy ny firehana tiana hasisika ao an-dohan’ny zaza sy ny tanora Malagasy. Mazava loatra, fa tsy handray izany ny sekoly tsy miankina satria hanapotika azy izany. Tsy mila ary tsy ampîdirana resaka politika ny sekoly sy ny fampianarana.

Nahoana àry no mitady hisisika hampiditra resaka politika ny fitondrana ankehitriny? Efa miendrika fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ihany koa izany ho an’ny mpamakafaka. Rehefa amin’ny fotanan’ny fampielezan-kevitra anefa, dia tsy azo atao mihitsy fa raràn’ny lalàna ny fametahana afisin’ny mpanao fampielezan-kevitra sy ny sarin’ny kandidà hirotsaka hofidiana ny rindrin-tsekoly; sy tsy azo anaovana fampielezan-kevitra ao anatiny. Rehefa ivelan’izany fotoana izany ve dia ampidirina mangingina sy antsokosoko ao amin’ny toeram-pampianarana ny resaka politika. Any amin’ny biraom-panjakana sy ny fanomezana toerana sy andraikitra ambony samihafa eny anivon’ny minisitera sy ny tontolo manodidina azy sy ny sekoly dia efa iaraha-mahita sy mahalala ny zava-mitranga ao ambadiky ny ridao na ny sehatra ifamezivezen’ireo mpiasa ao anatiny. Mieloelo mandrakariva ao ny resaka politika ary fantatra izany.

Tsy mahasoa ny seha-pampianarana ny fampidirana resaka politika ao anatiny ary hanimba ny hoavin’ny mpianatra. Efa traikefa efa hita izany ary iainana mandraka ankehitriny. Saropady toy ny sehatry ny fanatanjahantena izy. Ankoatra ny olana maro samihafa izay mbola mitoetra sy haharitra eo amin’ity seha-pampianarana ity, dia mbola hampanahy ihany koa ny hiseho aoriana raha ny fahitana ny zava-misy amin’izao fotoana izao.