Rodoben’ny Mpanohitra RMDM – Komitin’ny Fokonolona, hiady amin’ny jadona sy famonoam-bahoaka

Ny Valosoa

Manoloana ny fandehan’ny toe-draharaham-pirenena tato ho ato dia naneho ny heviny ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny demôkrasia eto Madagasikara na RMDM omaly tetsy Bel’Aira Ampandrana. Tsapa, fa miha-mizotra mankany amin’ny fanaovana didiko fehy lehibe na didy jadona ny firenena ankehitriny hoy izy ireo. Teo ny fanaovana amboletra ny fomba nentina nandany ny lalàna teo anivon’ny parlemanta. Fanaovana didy jadona izany, ary tsy mendrika amin’izao taonjato faha-21 izao ny fisian’izany fanjakana jadona izany eto amin’ity tontolo misy antsika ity, hoy i Pasitera Edouard Tsarahame, filoha lefitry ny RMDM.

Eo ihany koa, ny fanaovana antsojay amin’ny orinasa Malagasy. Tena ampiharana mihitsy, anaovana izay herisetra rehetra, izay fomba rehetra hamotehana sy hamonoana ny mpiasa Malagasy sy ny vahoaka Malagasy an-kolaka, hoy izy.

Manahy ihany koa izy ireo ny amin’ny hisian’ny fitsapan-kevibahoaka na “référendum” hanitarana ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena. Raha izany no hatao, ary raha izany no tsy maintsy tanteraka, ka atao an-tery eto amin’ny firenena, dia miantso ny vahoaka Malagasy ny RMDM hanangana ny Komitin’ny Fokonolona isam-pokontany hiady amin’ny jadona sy ny famonoam-bahoaka an-kolaka ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana. Miantso ny rehetra ny Rodoben’ny Mpanohitra hifanome tànana, fa tanindrazana iombonana ity Madagasikara ity. Aza avela ho tonga amin’ny jadona ity firenena ity, hoy ihany izy nanamafy, sao hanenenana any aoriana.

Tsy mety ny famonoana ny orinasa Malagasy, ny fanapotehana ny foto-pisainana Malagasy, ny demôkrasia, ny fandikan-dalàna mihoa-pampana, ary tsy mendrika ity firenena ity ny manao izany. Tsy mba zavatra tsara no ijeren’izao tontolo izao antsika, fa zavatra ratsy raha ny nambarany. Tsy ekena ny hanaovana jadona eto amin’ny tany sy ny firenena.

Notsindriany, fa mila hatsangana farany izay haingana io komitim-pokonolona io hiady amin’ny jadona.

‘https://youtu.be/-LiKwZMzAHc
‘https://m.facebook.com/100007920066152/posts/2764547543819221/