Me Olala sy Arlette RAMAROSON – Tsy fanakatonana orinasa izao, avereno amin’ny asany ireo mpiasa

Radafy

Noho ny fahitana ny zava-misy eto amin’ny firenena izay tena tsy mandeha manaraka ny lalàna intsony, fa mivaona, dia tsy naharitra intsony ary tsy maintsy nitsangana sy niteny ireo mpahay lalàna roa, Arlette Ramaroson, izay mpahay lalàna iraisam-pirenena, sy Maître Willy Razafinjatovo na i Olala. Anisany lehibe amin’izany ny fandravana ireo fifanarahana nifanaovan’ireo mpivarotra eo Analakely sy ny orinasa Tiko miaraka amin’ny orinasa haino aman-jery Mbs tamin’ny kaomina Antananarivo renivohitra. Fifanarahana izay kasain’ny Ben’ny tanàna ravàna fotsiny izao fa tsy te-hahalala izay fifanarahana any.

Misy mpiasa marobe very asa ao anatin’izany ary potika ny fiveloman’izy ireo ary lasibatra ao anatin’izany koa ireo fianakavian’izy ireo. Ary tsy ireo ihany no voa fa ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny orinasa, raha mikasika ny orinasa Tiko, izay tantsaha mpamokatra maro no mivelona amin’izany. Io tranga io indrindra no tsy eken’ireto mpahay lalàna roa ireto. Tsy fotoana fanakatonana orinasa ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana eto ami’ny firenena izao, hoy izy ireo. Zo fototra ny asa, zon’ny isam-batan’olona ny miasa, ka tsy marim-pototra ny fanalàna azy ireo amin’ny asany indrindra amin’izao fotoana izao. Noana ny olona ary tsy voatandrina ny zony. Manitsakitsaka ny lalàna no misy eto araka izany ary miantso ny vaomiera misahana ny zon’olombelona izy ireo, fa tena voahosihosy ny zon’olombelona. Hentitra araka izany ny fanambarana nataony, izay nitaky ny famerenana ireo olona ireo amin’ny asany, satria vao mainka mitombo ny olona sahirana. Nanao ny asany ireo mpiasa ireo ary tsy manan-tsiny ka avereno amin’ny asany. Tena voararan’ny lalàna izao ataon’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra izao, ho an’ireto mpahay lalàna ireto. Nohamafisiny fa tena fanitsakitsahana ny zon’olombelona ny ataony. Tokony hanontany ny mpahay lalàna ao aminy izy, fa tsy tokony manaotao foana toy izao. Tany tena tan-dalàna marina ve ny eto?, hoy ihany fanontaniana napetrak’izy ireo.

Toy ny fihatsarambelatsihy ihany ny ataon’ny fitondrana raha ny zava-misy. Omena fanampiana amin’ny fizarana zavatra samihafa etsy sy eroa kanefa velesina amin’ny kanonta amin’ny fanakatonana orinasa tsy hiasàny sy hivelomany. Miaro ny Malagasy sy ny mpiara-belona rehetra izahay, hoy izy ireo, ary ny zava-misy no resahinay, fa tsy misy resaka politika. Nokianin’izy ireo ihany koa ny zava-nitranga tany Ambovombe tamin’ny fanalàna ny olona amin’ny toerany an-tery mba hananganana tsena. Toy izany koa ny raharaha nitranga tao Farafangana izay tokony nisy fepetra noraisina aloha fa tsy avy hatrany dia nitifitra ireo voafonja. Marihina, fa anisany ho hataon’izy ireo ny handefa taratasy tatitra any amin’ny Firenena Mikambana.