Préfet an’Antananarivo – Manao tsinontsinona ireo mpanolotsaina TIM

Helisoa

Tonga teny amin’ny prefektioran’ny polisy teny Tsimbazaza omaly tolakandro, ny mpanolotsaina monisipaly avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM ), hanontany ny valin’ny taratasy fangataham-panazavana napetrak’izy ireo mahakasika ny fanaparam-pahefana ataon’ny ben’ny tanàna, Vazahabe: Naina Andriatsitohaina amin’ny fanapahan-kevitra raisiny samirery momba ny fandravana tsena, ny fanapahana ny fifanarahana mahakasika ny MBS sns… eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Namaly ireto mpanolotsaina ny sekretera mpitondra tenin’ny prefektoran’ ny polisy tamin’ny valiteny boribory, fa taratasy tsy nisy adiresy no napetraky ny mpanolotsaina TIM dia tsy afaka namaly an-taratasy izy. Efa novaliany tamin’ny fahitalavitra sy onjampeo ary ny gazety ny valiteniny araka ny hafatra napetrany tamin’ny sekreterany.

Vokatr’izany, noraisin’ireto mpanolotsaina monisipaly ho fanaovana tsinontsinona azy ireo ny fihetsik’ity solontenam-panjakana eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ity. Aleon’ny Préfet hoy izy ireo nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety toy izay hiresaka mivantana aminay. Diso fanantenana izahay hoy izy ireo satria tanàna iaraha-manana Antananarivo, ka tokony hifanerasera satria samy tompon’andraikitra avokoa.

Dia ho hita eo ny ho tohiny, fa tantara mbola hitohy ireo raharaha ireo satria tsy hipetra-potsiny amin’izao ireo mpanolotsaina ny Tanàna Tiako i Madagasikara (TIM) araka ny nambaran’izy ireo hatrany.