Fanarenam-pirenena : mbola ho ela ny gasy vao ho tafarina

Andry Tsiavalona

Iaraha-mahalala fa voafintina ao amin’ny « velirano 13 » ilay boky IEM mirakitra ny fampandrosoana an’i Madagasikara, rehefa nandeha ny fampielezankevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny faran’ny taona 2018. Iaraha-mahalala ihany koa ny vokatry ny fifidianana izay niteraka resabe na dia teo aza ny faneken-dRavalomanana Marc, mpifanandrina tamin-dRajoelina Andry Nirina, ny vokatra navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tamin’ny fihodinana faharoa. Ankoatry ny hosoka maro samy hafa dia nambaran’ny filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny Fifidianana ny marina momba ireo « doublons » tao anaty lisitra, izay efa niisa an-tapitrisa sy ny laharana mitovy karapanondrom-pirenena amana hetsiny. Niteraka savorovoro ara-politika sy nandaniana ranomainty nanoratana izany an-gazety kanefa dia nahita fomba hafa nisarihana ny sain’ny gasy ny mpitondra ka nampanjelanjelatra ny tetikasa “Tànamasoandro” izay nifanehitra tamin’ny fandavan’ny mponina ankitsirano izany , ka angamba, voavely mafy loatra dia nilentika ao anaty rano tsy nipoitra avy ao aloha hatramin’izao.

Na izany aza dia niteraka savorovoro ihany koa ity fanapahan-kevitra maimaika neverina handamin-javatra kanjo ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Toa tonga eo alohan’ny mpitondra hatrany anefa ny baolin’ny fanavotana (bouée de sauvetage) tamin’ny nitondran’ny Barea avo ny voninahitry ny baolina kitra malagasy. Toa niray hina sy nampiseho fiaraha-mientana teo amin’ny gasy tokoa ny zava-bitan’ny ekipam-pirenena malagasy iny. Fahazavana mitsilopilopy ao anaty haizi-mikitroka anefa ireny satria tonga indray ny fifidianana kaominaly izay toy ny fifidianana rehetra izay tsy ilaozan-gidragidra, teo ihany koa ny resaka fitakiana ireo nosy manodidina izay tsy nahafahan’ny mpitondra niala ilany, fa dia nanambara tamin’ny RFI ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry Nirina, fa famerenana azy ireo ho anisan’ny faritanin’i Madagasikara ary nanambara izy fa ho tanteraka nialohan’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny namerenana ny fahaleovantena izany. Tsy fahadisoan’izan’iza izany fa nisompatra ny faniriana ny areti-mandoza « Covid-19 sady mbola hisy ny 26 jona amin’ny taona manaraka rehetra raha tsy mety ho vita alohan’ny 14 oktobra 2020 izay hankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny fety tsy azo notanterahina ny 26 jona lasa teo. Tsy miravina akory ny olana teo aloha dia nipoitra indray ny resaka fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana izay tsy famerenana amin’ny toetrany teo aloha no ataon’ny fitondrana, fa fanovana tanteraka tsy misy fanajàna ny maha vakoka iraisam-pirenena io Lapa io. Ankoatr’izany dia nandalo fanakianana mafy, tsy avy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany amin’ny alàlan’ny Unesco ny fanorenana ilay « Kianja Masoandro » ho solon’ny « Lapa Masoandro » tsy tafatsangan’ny Mpanjaka vavy Ranavalona III . Nihevitra foana ny mpitondra amin’izao fotoana izao fa maranin-tsaina ka mahita fomba hanodinana ny saim-bahoaka, zara aza nisy ny aretina Covid-19 izay nahazoana fanampiana vola tsy toko tsy forohana avy any ivelany, ka nampanantena ny vahoaka fanarenana ny fiainana ara-tsosialy izay nikoroso fahana noho ny hamehana sy ny fihibohana. Mety amin’izao fitondrana izao ny manangana rafitra mirazotra amin’izay efa mipetraka mba hanomezana « patsa idray mahandro » ho an’ny akama hanamafisan-toerana. Ny sefom-pokontany no enjehin’ny mponina sy ny filohan’ny Repoblika ho manao risoriso kanefa ny any ambony mihitsy no mandrimbina izay heverina fa anjara tokony ho azy. Mipirina fotsiny ireo olana rehetra ireo ary tsy mbola resy tanteraka ny aretina dia efa nandroso vahaolana aorian’ny hamehana ny mpitondra amin’ny alàlan’ilay « Plan Marshall » izay manome vahana ny fanorenana fotodrafitrasa izay tsy hitondra fampandrosoana velively ara-toekarena satria inona ny tombontsoa ho azon’ny mponin’Antananarivo amin’ny fanorenena « Fly over » eny Anosizato sy Ampasika. Ny tranon’ny mponina eny amin’iny faritra iny aza no ho ravana raha ho atao tokoa izany tetikasa izany.

Izao no tonga amin’ilay fitenenana hoe:« ny toky fitaka fa ny atao no hita ».