Andry Rajoelina – Mampanonofy sefo fokontany fotsiny

Sôh’son

Nataon’i Andry Rajoelina ho ren-tany ren-danitra, fa homena solosaina avokoa ny fokontany rehetra ho fanatsarana ny asany amin’ny fiandreketana ny mponina ao aminy. Efa am-bolana maromaro no nilazany tamin’ny fotoana nitsidihany ny fokontany teny Ivandry ao anaty boriborintany fahadimy. Mandraka ankehitriny anefa tsy re intsony io resaka io, fa ny karnem-pokontany indray ity no imatimatesany resahana etsy sy eroa. Tsy misy intsony filazana ny amin’ny hanatsarana ny fitaovana ampisain’ny sefo fokontany. Vao nahare iny resaka iny aloha ny mpanara-baovao, dia efa nahafantatra fa izay indray ilay fampanantenana poak’aty ataon’ny filohan’ny Repoblika. Niandry ny fahamarinan’izay fomba fiheverana izay fotsiny ny maro, ary dia izao iaraha-mahita izao ny zava-misy.

Rehefa mandeha amin’ny toerana iray ny filohan’ny Repoblika, dia tsy maintsy mahita holazaina hatrany hampanofinofisana ny vahoaka. Ny fanatanterahana azy anefa tsy mbola fantany akory ny antsipiriany. Fa firy amin’ny biraom-pokontany eto amin’ny firenena no manana rian’aratra azony ampiasaina andefasana izany solosaina izany? Tsy ny sefo fokontany rehetra ihany koa no afaka hikirakira azy. Santionany amin’ny zavatra mbola miandry ireo mialoha ny hametrahana izany solosaina any amin’ny biraom-pokontany izany. Tsy lavina, tena ilaina amin’izao vaninandro ankehitriny izao, indrindra toy ny any amin’ny biraom-pokontany rehetra, ny solosaina. Ilàna fandinihana lalina anefa ny fanatanterahana amin’ny fametrahana azy, fa tsy tenitenenina fotsiny, dia avy eo tsy tanteraka akory. Io dia efa fantatry ny rehetra fa Filoha mpandainga sy belazao fotsiny no misy eto Madagasikara.