Ben’ny tanàna Vazahabe – Torian’ny mpanolotsaina eny amin’ny Préfet de Police

Ny Valosoa

Tsy eken’ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo ny fandraisan’ny Ben’ny tanàna Vazahabe (Naina Andriantsitohaina), fanapahan-kevitra samirery, noho izay antony izay, nitory ity farany eny amin’ny Préfet de police ireo mpanolotsainan’ny tanàna avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), miisa 24 ao amin’ny Filan-kevitry ny tanànan’Antananarivo.

Nanao fanambarana omaly alatsinainy, sy hetsika nanehoana ny tsy fiombonan-kevitr’izy ireo amin’ny Ben’ny tanàna amin’ny fanapahan-kevitra samirery amin’ireo toe-javatra samihafa tanterahin’ity tomponandraikitra ity ankehitriny, ireo Mpanolotsaina Monisipaly ao amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIAKO i MADAGASIKARA, ary manameloka marindrano ireo fihoaram-pefy sy ny fanararaotam-pahefana nisesisesy nataon’i Naina ANDRIATSITOHAINA, Ben’ny Tanàna Antananarivo, tato ho ato. Noraisin’izy ireo ohatra amin’izany :
– Ny fanafoanana amin’ny alalan’ny taratasy tsotra ny « Bail Emphytéotique » mikasika ny tany eo Anosipatrana ampiasain’ny MBS, izay nazahoana fankatoavan’ny filan-kevitra monisipaly araky ny fanapahan-kevitra laharana faha 013-BFM/Délib.2000 tamin’ny 08 may 2000 ary nohamafisin’ny fanapahan-kevitra laharana faha 008-CUA/VM/Délib.16 tamin’ny 11 martsa 2016 ;
– Ny fandrodanana ireo foto-drafitrasan’ny Kaominina Antananarivo izay miorina ara-dalàna araky ny fifanarahana teo amin’ny CUA sy ny mpampiasa azy, sy ny fanapahan-kevitra monisipaly mifanaraka amin’izany ;
– Ny fanesorana ireo mpivarotra mampiasa sy manofa ny Pavillons eo amin’ny Esplanade Analakely , izay marihina fa efa nisy fanapahan-kevitra ihany koa noraisin’ny filan-kevitra monisipaly sy fifanarahana ara-dalàna teo amin’izy ireo sy ny CUA;

Notsiahivin’ireo Mpanolotsaina Monisipaly fa :
1-Tsy fahefan’ny Ben’ny Tanàna mihitsy ny manova na manafoana ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitra monispaly amin’ny alalan’ny taratasy tsotra na Naoty;
2-Ny Ben’ny Tanàna dia natao hanatanteraka ny fanapahan-kevitra monisipaly na Délibération araka ny andiny faha 16 amin’ny Lalàna 2015-011 tamin’ny 01 aprily 2015 momban’ny Sata manokana mifehy ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara;
3- Ny filan-kevitra monisipaly ihany no manana fahefana maka fanapahan-kevitra momba ny fifanarahana fampanofana maharitra na “BAIL EMPHYTEOTIQUE” ny fananan’ny kaominina araky ny andininy faha-15 ao amin’ny Lalàna fehizoro 2014-018 tamin’ny 12 septambra 2014.
Noho izany, dia mitaky ny fanajanonana tsy misy hatak’andro ny fandraisan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo renivohitra fanapahan-kevitra samy irery ary tsy ara-dalàna, izay mety hiteraka tsy fifampitokisana eo amin’ny mpitantana sy ny vahoaka ireo Mpanolotsaina Monisipaly ao amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIAKO i MADAGASIKARA. Miantso ny Préfet de Police ihany koa izy ireo handray ny andraikiny manoloana izao zava-misy izao.