EDITO 27 Aogositra – Tsy antenaina avy amin’ny fitondrana no hampanjaka ny fahamarinana eto

Söh’son

Miditra amin’ny faha-20 volana ny fitondrana Rajoelina, ary miditra amin’ny faha-enim-bolana kosa ny krizy ara-pahasalamana eto amin’ny firenena. Mbola entina sy hampiainina hatrany ao anaty tsy fahamarinana ny vahoaka Malagasy, raha ny toe-javamisy amin’izao fotoana izao. Hatrany am-piandohan’izao fitondrana izao, ary niaraha-nahita ny fanilihana ny fahamarinana sy fanaronana azy tsy hipoitra. Nisy ny olom-pirenena maro nitaky ny hipoiran’ny marina tamin’ny fifidianana tany amin’ny fotoanan’ny fifidianana filoham-pirenena. Saika hatao ampahibemaso ampahafantarina ny vahoaka teny anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo ny fikasana haneho izay fahamarinana tamin’ny fifidianana izay. Nirahina nanoloana izany anefa ny mpitandro filaminana hisakana sy handrava ny hetsika fitakiana io fahamarinana io. Noraofina hatramin’ireo fitaovana nentina teny an-toerana ary natao izay fomba hampanginana ny mpanao hetsika. Efa tranga fahita matetika tany amin’ny andron’ny tetezamita izany.

Amin’izao fotoana izao, miroso indray amin’izay fomba fiasa manaraka ny tsy fahamarinana izay ny eo anivon’ny fitondrana Rajoelina. Ohatra iray mampiharihary izany ny ataon’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra tato ho ato. Izany finiavana miroso amin’ny tsy fahamarinana izany dia mbola miaraka amin’ny tsy rariny sy tsy hitsiny. Efa nahariharin’ireo Mpanolotsaina Monisipaly eo anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra voafidy avy amin’ny antoko Tim izany ary novakian’izy ireo bantsilana ny fihoaram-pefy ataon’ny Ben’ny tanàna. Sahin’ny Ben’ny tanàna tsotra izao ny nandika sy nanosihosy ny fifanarahan’ny kaomina amin’ny orinasa tsy miankina sy ireo mpivarotra. Ary misy fikasana hafahafa kasainy sy ireo miara-dia aminy vitsivitsy, izay misy efa mpanolotsaina mahaletra vahoaka hatramin’ny ela, hita taratra ao ambadik’izany tsy fanajàna fifanarahana efa noraiketan’ny mpitondra ny tanàna teo alohany.

Efa hatrany am-piandohan’izao fitondrana Rajoelina izao koa no napetraka teny amin’ny Fitsarana isan’ambaratongany ny fitoriana ny tsy fisian’ny fahamarinana tamin’ny fifidianana samihafa. Niàla maina ny mpitory ary misy hatramin’izao fitoriana tsy mbola navoaka ny valiny na dia efa am-bolana maro lasa aza no napetraka teny. Iray lehibe amin’izany ny fitoriana tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo. Niharihary anefa ny tsy fahamarinana tao anatin’izany. Iniana tsy hipoitra ny marina ary atao izay hanosihosena ny rariny sy hitsiny. Izao indray miseho ny raharahan’ny kaomina sy ny orinasa haino aman-jery Mbs, ny orinasa ALMA, izay toy ny odiana ialàna bala fotsiny izao. Lasa miverina ny ahiahy sy ny tsy fitokisana ny fitsarana. Mbola misy koa anefa raharaha hafa ilain’ny vahoaka fantatra ny niafaràny tsy re ny tohiny, fa toa misy miezaka manarontsarona azy. Manginy fotsiny ny tsy fizorana ara-dalàna teo amin’ny fizarana fanampiana samihafa mandraka ankehitriny.

Mbola misy hatrany ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny sy tsy hitsiny tao anatin’izay volana maro izay. Tsy hita mazava miaiky izany ny fitondrana, fa miendrika fihatsarambelatsihy no betsaka. Mazava loatra fa misy hatrany tsy fifampitokisana eo aminy sy ny vahoaka. Làlan-dratsy nitondrana ny firenena sy ny vahoaka izany ary tsy hahasoa.