ANTSO FARANY (avy amin’ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina)

Mpampianatra tena efa mila hitomany
Satria efa tena mizaka ny ngidiny,
Saingy ho anareo izany sekoly izany
Ve dia faralahiny, tsy misy vidiny?

Intsivy ianareo ‘zao no re nikabary
F’indrisy izahay toa nodian-tsy jerena.
Ny fonay mihitsy no efa marary
Satria tena leon’ny fandrebirebena!

Dia antso any an’efitra ve no natao
No tsy nisy mpamaly, tsy nisy mpanoina?
Sa odiana fanina fotsiny izao
Ka navela izahay ary tsy mba nantsoina?

‘Zay hoe fanampiana an’ireo mpanabe
Dia tsy nisy mba tazana nanangasanga.
Ry “bonbon sucette” nesorina ve
No hanova ny lanitray ho mangamanga?

Matoa ianareo tojo toerana ambony
Dia tao ny mpampianatra sy mpanabe,
Ka dia tena tsy foy ve ny vary iray gony
Mba ho an-dry madama sy ry ramose?

Ry madama minisitra o! mbola tsy tara,
Alefaso ny vatsy, malakilakia,
Dia ataovy mirindra ary koa tsara zara
Fa noana izahay ary tena mahia!

DADAN’i ZINA (20-08-20)