Mbola eo anivom-piarahamonina ny covid-19, fa tsy resy akory

Sôh’son

Dimy volana mahery, fa tsy dimy volana katroka araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika ny alahady alina teo, ny nidiran’ny firenena ao anaty hamehana ara-pahasalamana, rehefa tafiditra ny valanaretina covid-19. Tsy maharesy ny valanaretina akory i Madagasikara hatreto, ary tsy hoe nahafehy, fa nahatosika fotsiny ihany.

Tsy mbola voafehy ny valanaretina satria vao tamin’iny herinandro iny ireo mpiasan’ny fahasalamana miatrika mivantana izany, ireo Paramed, no nilaza fa miha-mankany ambanivohitra ny fihanaky ny valanaretina. Ny ankamaroan’izy ireo anefa dia any amin’izany faritra izany no miasa. Etsy ankilan’izany, iaraha-mahalala sy mahita, fa maro amin’ireo olona no tsy nankany amin’ny toeram-pitsaboana noho ny fahitany ny tsy fahatomombanan’ny fandraisana an-tànana ara-dalàna ny nisy soritr’aretina na ireo notsaboina tany amin’ny hopitaly. Niaraha-nahita ireny ny fihetsik’ireo olona tao anatin’izany tany Toamasina, na ireo nitaraina amin’ny fomba fanaraha-maso ireo narary teto an-drenivohitra. Nisy fiantraikany tao an-tsain’ny besinimaro izany, ka naleony tany ambadimbadika tany no nitsabo tena araka izay saim-pantany sy ny toro-hevitra samihafa azony. Mazava loatra, fa tsy mahafongotra tanteraka ny tsimok’aretina mifamoivoy akory izany. Nambara matetika rahateo tamin’ny fanentanana, fa arakakaraka ny toerana na zavatra ipetahan’ny tsimok’aretina no mahafaingana na mampahaela ny fivelomany, misy andro maro mihitsy. Manampy izay, dia mbola misy olona marary tsaboina eto amin’ny firenena, ary mbola misy hatrany ny tranga vaovao. Tsy tokony ho hadinoina, fa tranga telo monja, tany amin’ny tapaky ny volana martsa, no lasa namoizana mpiray tanindrazana efa ho 180 amin’izao fotoana izao, sy efa ho aman’alina marobe no nidiran’ny valanaretina.

Miditra amin’ny faha-enim-bolana amin’ny hamehana ara-pahasalamana isika nanomboka tamin’ny Sabotsy lasa teo. Araka izany, dia mbola eo anivom-piarahamonina ny covid-19, fa tsy resy akory, ary mbola manosika azy tsy hahazo vahana intsony toy izay volana maro izay no atrehina ankehitriny. Tsy midika ho fihafanan’ny andro no mampihemotra ity valanaretina ity, satria any amin’ny faritra mafana eto amin’ny Nosy aza misy mitondra ny tsimok’aretina na marary tsaboina. Tsy mbola afaka misioka ny fitondrana, ary tsy afaka hisioka satria misy ireo lavo aman-jatony.

Ho an’ny Malagasy ny aina zava-dehibe manana ny hasiny, ka tsy azo atao ny mampitaha ny isa amin’ny any amin’ny firenen-kafa, ka ilazana fa ambany ny eto amintsika. Tokony hisy fotoana manokana aza hiraisam-po amam-panahy amin’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana hotanterahina, fa tsy vitan’ny filazana am-bava fotsiny atao amin’ny haino aman-jery izany, dia ny isan’ny sitrana avy eo no hanakonana azy.