Fitondrana Rajoelina – Misy tezitra aminy ny zanaky ny Faritanin’i Mahajanga

Ny Valosoa

Tsy vitsy tao aorian’ny nisian’ny fanovana ny mpikambana sasany ao amin’ny governemanta ny alakamisy lasa teo, ireo naneho hevitra ny zanaky ny Faritanin’i Mahajanga teo aloha, ary naneho ny fahatezerany sy ny alahelony noho ny ataon’ny fitondrana Rajoelina, nanilika ny zanak’izany Faritany izany tsy ho ao anatin’ny governemanta hatrany, nandritra izay fanoloana mpikambana amin’ny fitondram-panjakana intelo miantoana izay. Misy hoy izy ireo ny mpanipy hoditra akondro ny fitondrana ireo ministra, ireo tsy mamely, na tsy hita mihitsy izay mba zava-bitany, nefa miorim-paka amin’izany governemanta izany.

Ministra miisa 3: avy any Sofia, Melaky, Boegny anefa ankehitriny no efa voailika tao anatin’ny fitondram-panjakana, nefa nisy ny zava-bitan’izy ireo, dia ny ministra Volahaingo Marie Thérèse avy any Sofia, ny ministra Rijasoa Josoa Andriamanana avy any Boegny ary ny ministra Ahmad Ahmad avy any amin’ny faritra Melaky. Aoka izay ny mizana tsindrin’ila hoy ny sasany amin’izy ireo.

Raha tsy fiangarana marina ilay izy hoy ny fanambarana dia hesory eo amin’ny toerany ihany koa ireo olona efa mampiaiky ny be sy ny maro ireo ny zavatra ataony.