Akatona Magro nefa takiana ny hetra Fampihorohoroan-tsaina no ataon’ny fitondrana Rajoelina

Andry Tsiavalona

Tsy mizotra any amin’ny fanatanterahana ireo vina nofaritany tamin’ny fampielezan-kevitra intsony izao fitondran’ny Repoblika IV andiany faharoa izao. Ny voalohany amin’ireo vina ireo ny « IEM », narahin’ny « Velirano » ary nipoitra tsikelikely araka ny tranga nisy fiantsampazana tamin’ny tetikasa efa teo am-panatanterahana natomboky ny fitodran’ny Repoblika IV andiany voalohany, na fitondrana Rajaonarimampianina Hery. Tsy vitan’izay fa nirona any amin’ny tetikasa mirentirenty izay mety mampisongadin-tena fotsiny ihany.

Ny tsapa anefa dia rehefa tsy mahomby na misy fanoherana ny tetikasa dia mivadika ho mpampihorohoro ara-tsaina ny mpitondra. Tsy ny mpitondra faratampony ihany no tonga amin’izany fihetsika mitory fahalemena eo amin’ny lafiny rehetra izany, fa hatramin’ireo tomponandraikitra amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana toy ny kaominina. Taratr’izany tsy fahombiazana sy fahalemena izany koa ny fifanitsahan’andraikitra na fisalovanina eo amin’ny andraikitry ny hafa. Manamafy izany fahalemena izany ny fampiharana ny “hamehana” amin’izao fisian’ny valanaretina covid-19 izao. Milaza ombieny ombieny, hatramin’ny filohan’ny Repoblika, fa tsy mafy noho ny pesta, ny taona 2018, ity valanaretina ity, raha ny eto Madagasikara no resahina, kanefa dia nampiharina ny “hamehana” (état d’urgence).

Ny zava-misy sy iainana dia entin’ny mpitondra anaparam-pahefana sy anaovana fampihorohoroana ara-tsaina ny toe-draharaha. Santionany amin’izany ny fampidirana am-ponja mpanao gazety, izay nolazaina fa tsy mpanao gazety, ny fisamborana mpanao politika nitondra fanampiana ny mponina any amin’ny toerana niaviany, izay nampangaina ho namingavinga mpitandro ny filaminana. Etsy ankilany dia nodradraina fa nahita fanafody entina hitsaboana ny valanaretina sady nirehareha fa aty Madagasikara avokoa ny mason’izao tontolo izao satria ny mpitondra ankehitriny no hanavotra ny firenena eran-tany amin’ity valanaretina ity.

Tsy araka ny nampoizina anefa ny vokatra azo tany amin’ireo firenena afrikana nomena ny fanafody satria amin’izao fotoana izao dia tsy nisy niverina intsony ary nisy nanakiana mihitsy ny tsy fahombiazan’ilay fanafody vita gasy. Bizina izany no natao satria lasa nivadika fananganana fotodrafitrasa hanaovana fitiliana sy famokarana fanafody indray no natsangana. Efa mafy ny mahazo ny mpiasa sy ny mpampianatra ao amin’ny sehatra tsy miankina, izay efa bokan’ny trosa sy mitanatana vava fotsiny kanefa dia mbola asaina mindram-bola indray. Tsy fanampiana ny mpiray firenena izany fa fampandohalihana azy.

Manampatra fahefana ihany koa ny any amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra ihany koa. Raha ny eto Antananarivo no resahina dia mampihorohoro ny ben’ny tanàna ary tsy matahotra ny manitsakitsaka lalàna mihitsy, ka sahy mandrava trano fivarotana, teny Soarano sy esplanade Analakely, ary manapaka fifanarahana fampanofana tany tsy nandalo Filankevitry ny Tanàna. Vao omaly ny omaly ny mpitondra no nanakatona ny trano fivarotana “Triple A” etsy Behoririka, fa tsy mahaloa hetra, hono. Raha tsy mahaloa hetra dia tokony homena fe-potoana izy handoavany izany fa tsy lojika mihitsy raha sady akatonao ny tsena no takianao hetra izy, ka heverina fa fampihorohorohan-tsaina izany. Ny sehatra tsy miankina toy ny orinasa Magro dia anisan’ny mampiroborobo ny toekarena, noho izany tsy tokony hisy ny fanakatonana fa ny famporisihana sy ny fanampiana azy aza no tokony ho natao, satria anisan’ny orinasa sahirana koa izy amin’izao hamehana ara-pahasalamana sy fihibohana izao.

Ny tsapa amin’izao toe-draharaha iainan’ny vahoaka Malagasy izao fa fitaovana entin’ny mpitondra hamoretana sy hanamparam-pahefana ihany izao hamehana izao satria raha tsy mafy noho ny pesta ny covd-19 dia tsy ilaina ny “hamehana” mihàtra.