Fampianarana – Tsy mbola hivaha ny olany

Radafy

Ny fampianarana no sehatra anisany be olana indrindra eto amin’ny firenena ary niha-nitomba aza izany tato anatin’ny fitondrana Rajoelina. Tsy adino fa mipetraka ho tantara ratsy eo amin’ny seha-pampianarana ny zava-nitranga tamin’ny fanadinam-panjakana bakalorea tamin’ny taon-dasa. Tamin’ity taona ity indray dia niara-nahita ny fikorontanan’ny fampianarana sy ny fomba tsy nahomby nentina namahana izany. Tsy ireo fotsiny anefa ny olana eo amin’ny seha-pampianarana eto Madagasikara, ampahany ihany ireo, fa marobe ny olany efa nitoetra teo hatrany nandritry ny taona maro. Ao anatin’izany ny momba ireo mpisehatra amin’ny fampianarana, ny fotodrafitr’asa fampianarana, ny fepetra samihafa takiana sy ny lalàna mifehy ny tontolon’ny fampianarana. Tsy noezahina novahana izany tato anatin’ny folo taona farany. Ny vahaolana izay natao hatramin’izay dia karazan’ny vonjimaika hatrany fa tsy maharitra.

Tefy maika sy tsy maharesy lahatra ny maro ny vahaolana sy fepetra raisina ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, indrindra amin’izao hiatrehana ireo fanadinam-panjakana ho avy izao. Tsy antenaina hahavaha olana ny fitondrana na dia nisy aza ny fanoloana mpikambana teo amin’ny governemanta ho amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ny olona vaovao napetraka eo amin’ny toerana ihany koa ve tena mahafantatra marina ny fototry ny olana eo amin’ny seha-pampianarana eto Madagasikara, sa mianona fotsiny amin’ny toerana politika? Ho hita eo ihany ny amin’izany. Nisy minisitra “importé” mihitsy teo aloha sady nambara fa teknisiana mahay avara-pianarana sady be diplôma, ary mbola misy maro ao anatin’ny governemanta tafajanona ao, kanefa niàla maina tsy nisy afitsoka nanàla ny firenena tao anaty fahantrana sy tao anaty olan’ny seha-pampianarana. Ravindraviny amin’ny olana ihany mantsy no nitondrana fanafodiny antematemaka teo.

Tsy ny fanoloana olona lava na minisitra isaky ny misy zava-mitranga manahirana no vahaolana, fa ny fametrahana fototra tsara orina amin’ny seha-pampianarana mihitsy, no ilaina fomba fijery vaovao sy politika matotra feno fahendrena lalina ary tsy mitaky taona maro ny fanatanterahana azy.