Andry Rajoelina – Tsy hita soritra ny fampanantenana nataony

Helisoa

Efa ho roa taona no nitondra ny tany sy ny fanjakana ny antoko TGV tarihan’ny filohany Andry Rajoelina. Maro ny fampanantenana nataon’ity farany raha vao tonga teo amin’ny fitondràna ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy. Tao anatin’izany no nitenenany fa hampindrana vola ny nosy Comores i Madagasikara, fa tsy hiankindoha amin’ny mpamatsy vola mahazatra intsony, satria tsy handroso mihitsy i Madagasikara hoy ny filoha Andry Rajoelina na ho 50 taona aza raha mbola mindrana vola amin’ireo hatrany isika. Teo ihany koa ny fitenenany fa handefa fanampiana any Liban; tanteraka ve izany manoloana ny fahantran’ny Malagasy amin’izao fotoana izao?

Ireo moa tsy dia asiana olana loatra satria tsy ho tanteraka na oviana na aoviana. Misy dikany anefa no hitenenany ireo, fidedahana fotsiny hoy ny fiteny izay satria rehefa Andry Rajoelina no mitondra dia hamirapiratra hono i Madagasikara, ary eto amintsika ny mason’izao tontolo izao, izay teny famerimberiny hatrany. Raha ny fampanantenana teto amin’ny firenena indray dia maro tsy voatanisa , tramway , bus manara-penitra sns… Ny eo tsy tanteraka, ny zava-baovao indray lazaina.

Ny tena manavanana ity fitondràna ity dia tsy ny mahasoa ny vahoaka fa ny mahafinaritra jeren’ny maso fotsiny ihany. Maro anefa ny tena manahirana indrindra eo amin’ny lafiny sosialin’ny mponina. Tsy laharam-pahamehana ho an’ny fitondràna izany, fa ny azy hafa mihitsy. Potehina ny orin’asa Malagasy mamelona fianakaviana maro toy ny orin’asa AAA, izay orin’asa naorin’ny filoha Marc Ravalomanana. Ilay fampanantenana natao IEM tsy hita soritra ny fanatanterahana azy, na nohirahiraina ho fantapoko ho fanta-pirenena aza. Ny tany Soalala aza moa vola be ny vidin’ny vy tao an-toerana tamin’ny fitondràna tetezamita izay noraisiny mivantana ny vola vidin’ny harena akibon’ny tany tao an-toerana tamin’izany. Namirapiratra ve ity distrika ity amin’izao fotoana izao?

Koa inona no antenaina amin’ity fitondrana lazaina fa TGV haingam-pandeha ity, raha tarafina amin’io resaka SOALALA io. Ny zanaky ny Faritanin’i Mahajanga aza moa amin’izao fotoana tezitra aminy sy ny fitondrana tarihiny.