EDITO 22 Aogositra – Fahasahiranam-bahoaka: mety amin’ny fitondrana ary ampitomboiny isan’andro

Sôh’son

Tsy maintsy mandeha ihany ny saina hihevitra, fa tsy olana amin’ny fitondrana ankehitriny ary mety aminy ny hahasahirana ny vahoaka Malagasy, raha mahita ny zava-misy sy ny fandehan’ny raharaha eto amin’ny firenena. Tsy misy afaka handà intsony ankehitriny, fa ao anaty fahasahiranana tanteraka ny vahoaka Malagasy noho ny fidirana sy fihanaky ny valanaretina covid-19. Ny mahatonga izay fahasahiranana lalina izay dia potika ny fihariam-bahoaka andavanandro, voatohintohina ny asa fivelomana, very ny asa natao hamelomana ankohonana noho ny fikatonana, na fahasahiranan’ny oirinasa aman’alina, mihena ny vola miditra, antsasa-karama sisa ho an’ny mpiasa sasany mbola miasa ary misy ny tsy mandray intsony. Mikorosy tsy mitsahatra ny toekarem-pirenena ary misoka lalina hatrany ao anaty fahantrana ny firenena.

Mazava loatra fa sarotra ny mitady asa amin’izao fotoana izao ary mbola haharitra fotoana ela izany. Ny ankamaroany mitsipozipozy avokoa, ka mbola ady goavana ny fiarenana hiverina amin’ny laoniny. Izay very asa izany dia mihahaka eo fotsiny aloha, ary toy ny valala voatango, tsy misy mpiahy, ary miady isan’andro mba ho velona sisa. Iaraha-mahita, fa tsy misy vahaolana haingana hamonjena ireo very asa sy very fivelomana ny fitondrana Rajoelina, tao anatin’ny 5 volana izay. Ny tena mahalasa ny saina sy manahirana tanteraka, dia ny fahitana ny fihetsiky ny fitondrana manakatona orinasa efa mba miady ny tsy hikatona, fa mamelona ny mpiasa ao aminy sy ireo manodidina miara-miasa aminy. Tranga iray lehibe amin’izany ny ataon’ny fanjakana amin’ny orinasa “Triple A” nanomboka ny Alarobia lasa teo ary hakatona mandritry ny tapa-bolana, hono. Tsy miasa saina na kely akory aza amin’izay hanjo ny mpiasa aman-jatony ao ny fitondrana, fa ny olany amin’ny orinasa no ahindrahindra. Raha mpiasa aman-jatony no miasa ao, ary mety aman-jatony maro no manodidina miara-miasa aminy, izay ho very fivelomana indray ihany koa hanampy ireo efa aman’hetsiny very fanahy mbola velona, fa tsy an’asa intsony am-bolana maro, ary fahasahiranana lalina no vokatr’izany.

Ny fihetsiky ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana izao, dia tsy miasa saina amin’izay fahasahiranam-bahoaka lalina izay. Ny fanakatonana orinasa ao anatin’izao fotoana toy izao, dia midika mazava loatra, fa fampitomboana ny isan’ny vahoaka sahirana ara-pivelomana. Araka izany dia tsy mamaha ilay fahasahiranam-bahoaka velively ity fitondrana ankehitriny ity, fa vao mainka manampy trotraka aza. Ary izay no mahatonga ny saina hihevitra fa mety amin’ny fitondrana izay hahasahirana ny vahoaka ao anatin’izao vanim-potoana izao, fa resaka fotsiny no betsaka. Tsy misy afaka hilaza, fa namaha izany olam-bahoaka, olan’ny orinasa ho fitsinjovana ny mpiasa ao aminy izany ny fitondrana. Io no porofo mitohoka amin’ny tendany. Ary ireo mba mikaro-kevitra indray manao asa fitadiavana hafa mbola voatohintohina ihany, fa tsy misy fepetra feno fahendrena avoakan’ny fitondrana hanamorana izany.

Tsotra ny resaka, raha mihazakazaka mihena toy ny tarehimarika amin’ny tranga vaovao amin’ny covid-19 sy ny mbola tsaboina, ny fihenan’ny tsy an’asa eto amin’ny firenena, ary mihazakazaka mitombo toy ny tarehimarika amin’ny sitrana ny fisokafan’ny orinasa Malagasy eto amin’ny firenena, dia azo ambara fa mihevitra sy mamaha ny fahasahiranam-bahoaka tokoa ny fitondrana Rajoelina. Fa raha ny mifanohitra amin’izany, toy ny zava-misy ankehitriny, dia tena tsy mivaky loha amin’izay fahasahiranam-bahoaka izay ity fitondrana ity ary mety aminy aza izany matoa izao no ataony, n’inona n’inona fanazavana. Fitondrana manao izay mampahantra vahoaka.