Mpiasa Malagasy: ifandroritana etsy sy eroa

Sôh’son

Tsy maintsy misy hatrany ve ny politika fampizarazarana izay manao hetsika eto amin’ity firenena ity? Moa Tsy politika maloto sy efa lany andro ve izany ary tsy mampandroso ny firenena? Sa tsy maintsy misy olona na vondron’olona efa natao hanohitra sy hitsivalam-pandry ny hevitry ny maro, ary manitsakitsaka ny atao hoe “mitabe tsy lanin’ny mamba” ? Nanao hetsika fanehoana ny tsy fankatoavany ny fampindramam-bola atao eny amin’ny Cnaps Ampefiloha ny sendikàn’ny mpiasa andro vitsy lasa izay, ary ny ezaka fanindroany nataony vao tafapetraka ny sonian’ireo mpiasa aman’alina nentiny. Taorian’izany, vao roa andro lasa izao, dia indro fa nipoitra ihany koa ny fikambanana mpiasa hafa, nilaza fa izy ireo dia manaiky ilay fampindramam-bola azy ireo ataon’ny fitondrana ao amin’ny Cnaps, fa izay no hahasoa ny mpiasa. Inona koa no dikan’izany? Misy mitaky etsy dia avy eo misy manohitra io fitakiana io eroa na dia ao amin’ny sehatra iray aza izy ireo. Nahoana no misy izany, sa ilay fahasahiranana lalina no mahatonga izany toe-tsaina izany? F’angaha tsy nisy resaka fifampidihana tany am-piandohana mialoha ny hanaovana ny hetsika?

Iaraha-mahalala sy mahita, fa ratsy toerana ny mpiasa Malagasy eo anivon’ny orinasa iasàny. Tsy misy ny fiarovana azy mazava sy mitombina tsara. Raha vao misy krizy na mandalo olana ny orinasa iray na maro eto amin’ny firenena na ny toy ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny, dia indreo fa ilay mpiasa no iharan’ny an-tery samihafa na antsojay mihitsy, ary hita ho tsy misy mpiaro. Misy ny fandroahana na fanaovana “chômage technique”, na fanapahana karama amin’ny ampahany na manontolo, ny fanaovan’ny mpampiasa tian-kano tsy tian-kano sy ny familafilana maro samihafa. Tena hita matetika izay hamaivanan’ny fiarovana ny mpiasa izay eo amin’ny asa ataony. Azo lazaina mihitsy aza ho tsy misy ny fiarovana ny asa atrehin’ny mpiasa Malagasy eny amin’ireny orinasa maro samihafa eto amin’ny firenena ireny. Hita mitazana fotsiny ihany koa ny fitondrana, fa miady irery ireo mpiasa iharan’izany “herisetra na hetraketraka” izany.

Eto amin’ity tranga ity anefa, dia misy sendikàn’ny mpiasa mijoro miaro ny zon’ny mpiasa sy izay hahasoa azy. Efa hatrany amin’ny voalohan’ny volana mey, andro natao ho fetin’ny asa, no hita ho nijoro io sendikàn’ny mpiasa io ary tsy niahotra sy hita ho sahy nitaky ny fiarovana ny zon’ny mpiasa. Tsy hita ho toy izany kosa iretsy faharoa mpitsipaka ny fitakiana, fa aty amin’ny ilàna firaisankina vao mipoitra izy ireo. Tsy hilaza akory eto ny amin’ny hoe tsy marina ny azy na tsia, tsy any fa ny tiana hotsindriana, dia ilay firaisan-kina, ilay fiaraha-mientana noho ny toerana misy azy eo anivon’ny orinasa iasàny. Ny fitambarana mba ho vato hiaro ny zon’ny mpiasa no tena tokony himasoana. Fa tsy ny fifanipahana toy ny valala an-karona izay tsy hitondra soa ho azy ireo no aseho imasom-bahoaka. Moa tsy azo nifampidinihina tany ambadika tany ve ny tokony ho natao niraisan-tsaina, ka nampitoviana tadin-dokanga? Sa misy tanjona hafa tiana ahatongavana ao ambadik’izany ?

Tsy voatery hiandry ny fitondrana vao miray làlana sy mifampitantana ny mpiasa Malagasy, fa mila miainga avy amin’izy ireo izany. Tsy hisy fivoarany ny fepetra iainany amin’ny asa atrehiny raha toa ka misy hatrany te hiàla amin’ny maro ka zary mandoto rano izay hahamety sy hahatsara ny momba azy ireo. Miankina amin’izay tanjaky ny mpiasa sy ny sendikàn’ny mpiasa izay ihany koa no hampisy fivoarana eo amin’ny tontolon’ny asa sy orinasa eto Madagasikara.