EDITO 20 Aogositra – Fanampiana ny marefo – Toa lasa rano ireo tosika sosialim-bahoaka isan-karazany

Sôh’son

Misy tsy milamina hatrany isan’andro eo anivon’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka na eo amin’ny fiainam-pirenena. Misy sahotaka eny an-tsena toy ny teny Andravoahangy, misahotaka ny eny amin’ny fokontany noho ny resaka fanampiana tsy mandeha amin’ny hitsiny sy rariny. Mivoajamala ny vahoaka fa mihena ny misahana ny fitsaboana noho ny fitokonan’ireo mpitsabo mpanampy na Paramed ato anatin’ny telo andro eny amin’ny toeram-pitsaboana fototra ; misamboaravoara ny eo anivon’ny fitondrana fa misy hatrany minisitra ahitana raharaha manahirana ary miendrika fisian’ny tsy fahafehezana ny fitantanam-panjakana, sns…

Tsy fifanojoan-javatra akory fa mipoitra noho ny tsy fahaizana mitantana raharaham-panjakana na ny fitondrana firenena no anton’ny tranga maro samihafa ilazana fa tsy milamina ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Isan’andro sy isan-kerinandro, dia tsy maintsy misedra olana hatrany ireo mpivarotra eny amin’ny toerana samihafa eto an-drenivohitra. Misy ny voarodana sy mbola harodana ny trano fivarotany, misy ny voailika fa omena ny mpanambola ny toerana, misy itadiavana hevitra samihafa mahatohintohina ny fitadiavany, sns… Mitroatra sy maneho ny hatezerany ihany izy ireny, fa toy ny manao antso an’efitra sy tsy misy mamaha ny olany raha ny hita hatreto. Tsy an-drenivohitra ihany no ahitana izany sahotaka izany, fa hatrany amin’ny faritra samihafa eto amin’ny firenena.

Ho lasa tandra vadin-koditry ny fisavoritahana ny eny anivon’ny fokontany raha mitohy ny tsy famahana ara-dalàna ny olam-bahoaka eo amin’ny lafiny fanampiana avy amin’ny fitondrana. Tsy mitsahatra mihitsy fa misy hatrany isan’andro ny mponina mitabataba, fa tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fanampiana. Tsy maintsy misy hatrany vahoaka miantsoantso fa tsy mbola nahazo fanampiana mihitsy hatramin’izay niantombohan’ny fanomezana avy amin’ny fitondrana, na avy amin’ny FID. Maro amin’izy ireo anefa no tena ao anatin’ny fahasahiranana sy fahantrana ary sokajin’ny marefo. Tsy atao hahagaga anefa izany satria miendrika fanamboaramboaran-javatra ihany no ataon’ny fitondrana hatramin’izay sy mandraka ankehitriny indrindra tao anatin’iny andro efatra na dimy nanaovana fanadihadina iny. Azo inoana marimarina, raha izao no mitohy, fa hisy vahoaka marobe sahirana sy marefo eto amin’ny firenena tsy hisitraka mihitsy fanampiana avy amin’ny fitondrana, ary hangasihasy fotsiny tsy hisy mpiahy, mandrapahatapitr’izao krizy eto amin’ny firenena izao. Ny hita sy tsapa anefa amin’izao fotoana dia toa lasa rano ireo tosika fanampiana sosialim-bahoaka, nandalo toy ny sary indray mipika fotsiny, nisehosehoana hoe nizara fotsiny, kanefa tsy mitohy hatramin’izao, ny fanadihadiana na ny recensement anefa efa vita, nataon’ireo mpiasam-panjakana tsy matihanina akory amin’izany, hita fa tena fanadihadiana kitoatoa. Tsy ireo tanàn-dehibe ihany koa no mila ilay tosika sosialim-bahoaka, fa ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy mihitsy, faritra maro ihany koa no tsy nahazo izany fa ny nahazo ihany no nahazo.

Mety handalo ihany, kanefa telo andro be izao no tsy hiasan’ny mpiasan’ny fahasalamana paramed noho ny anton’ny herisetra manjo ny olony sy tsy fahatomombanan’ny fitsinjovana azy ireo. Tsy maintsy misy fiantraikany any amin’ny vahoaka izany na tiana na tsy tiana. Tsy hita mazava anefa izay vahaolana entin’ny fitondrana ho fitsinjovana azy ireo ao anatin’izany rehetra izany. Manampy trotraka izany ny fahitana ny karazana fisavoritahana eo anivon’ny asan’ny governemanta sy ny mpikambana ao anatiny. Ho an’ny mpandinika dia tena tsy fahafehezana ny fitantanan-draharaham-panjakana izany. Mazava loatra fa rehefa miseho ny fifandritahana toy izany eo anivon’ny fitondrana, tsy maintsy misy fiantraikany ratsy any amin’ny vahoaka sy ny firenena izany.

Tsy ny asa kely atao etsy sy eroa no ilazana fa tena miasa ny fitondrana. Ho an’ny vahoaka dia ny fizoran’ny fiainany amin’ny ara-dalàna sy tokony ho izy andavanandro no ilainy sy andrasany amin’ny nampindraminy fahefana. Ny zava-misy ankehitriny dia midika fa mandeha amin’ny làlana tsy mety aminy ny fitondrana ny firenena.