TAIRO RE INGAHIBESOLA E !

Matory ireo mpanolotsaina sy ireo olo-manodidina,
Sa dia inona no ataony manoloana ny tsy mety?
Efa tafahoatra mantsy ity ilay hoe “lohan’angidina”,
‘Zay fanaon’ireo mpitondra, dedaka te ho vedety!

Toton’ombibory hatrany no fanaon-dry Ingahibesola,
Fa dia tena tsy mandinika ary tsy mandanjalanja?
Tsisy fijerena ny hafa fa ‘zay hahazoana vola,
Io no lehibe indrindra na hipoaka aza ny vanja?

Zatra fiainana vazaha sy ilay hoe “samy maka ho azy”,
Dia manao ny tsy fanao sy fomba ratsy eto an-tanàna?
Ny manao ny tsara indray no indro fa omena sazy,
Ka ravana izay natsangany f’anareo ny fahefana?

Tsy ‘zay nety tany Andafy dia hatsangana eto Iarivo.
(Tsy mitovy ny fisainana ary koa ny kolontsaina.)
Koa diniho ry Ingahibesola sady saino sy tsiahivo,
Fa mijaly ny vahoaka ka dia tena mitaraina.

Voam-boanio no nantenaina kanjo indrisy mokonazy
No mandoto ny tanàna sy manimba ny tontolo?
Hoy ireo olona mpaneso sy ireo mpamazivazy:
Miovà ry Ingahibesola, ‘ndeha ampanirio ny volo!

Tano mafy ny efa tsara f’aza ijerena loko.
(Izay no tena fahendrena), dia ny tsaranao koa ento.
Ny vahoaka no andriano f’aza sanatria ny antoko,
Ireo no nanome ny seza k’aza avelanao hisento.

Tavi-mofo madalenina, moa izany no ampiasaina,
Nefa mofo ramanonaka no kasaina mba hatao?
Mandiniha ka mihevera dia meteza ho tonga saina,
Sao hogain’ireo vahoaka hoe “tsy misy kalitao”!

DADAN’i ZINA (16-08-20)