18 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny rehetra izay mety hiantefany izao manaraka izao.

Lasibatra manao ahoana moa ry Lalatiana sy Free Fm ny Cco sy Tianarivelo. Milamina angaha ny fitantanana ny ady amin’ny covid?

-4×4 tsy misy ilàna azy no priorité, fa tsy ny Epi sy ambulances eran’i Madagasikara.

-Cvo tsy voamarina na manao ahoana na manao ahoana no lelalelan’ny tsy nianatra medicine, fa ny professeurs terena mangina na anaovana chantage (Ralandison)?

– potehina ny économies amin’ny confinement anarany fotsiny ary ny olona vonoina amin’ny hanoanana?

– noho ny tandrametaka sy tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahaizana mitsinjo lavitry ny fitondrana Rajoelina, efa mirara-kompana ny marary sy maty vao nanafatra centrateurs d’oxygène.

– olona milamina ve ianareo koa ny association Fitia no mitantana ny fanafody, fa tsy ny ministera mifandrify amin’izany ary ny dokotera nianatra an’izany ary tsy nomena mialoha fa mbola nanaovanaa werawera eran’ny tanàna?

– farany inona no fantatr’i Razafimahefa Tianarivelo mikasika ny fahasalamam-bahoaka, sy ny valanaretina no izy no mitarika ny ady momba an’izany fa tsy ny ministry ny fahasalamana?

Nianatra firy segondra tao amin’ny médecine izy sy ianareo rehetra nisalovana ny asana mpitsabo io, indrindra ianao nihantsy an’Andriamanitra ry Lalatiana ary nilaza fa tsy amapahafirin’ny pesta sy kôlerà io?

Ekeo fotsiny fa fitantanana tsy misy dikany ary nataonareo kilalao ny aim-bahoaka, fa nanaovanareo werwera fotsiny. Sady tsy hainareo izany fitantanana fanjakana izany no milalao ianareo.

Ravanareo ny fanjakana. Fokontany soloinareo Loharano. Ny dokotera, ianao sy Andry no misolo ny professeurs en médecine rehetra. i Mialy sy ny Fitia no misolo ny hopitaly, sns…
Tsy fahaizana sy tsy fahazakana andraikitra izany. Tokony hiaiky ianareo fa echec total ny zava-misy amin’izao.

Izao firy ny maty, ny marary, ny mitondra takaitra, ny very asa, ny orinasa potika, ny vola very, ny hasin-drazana tsy voahaja noho ny weraweranareo?

Marcel Razafimahatratra
Mpandinika ny raharaham-pirenena
Antsirabe