Vondron’ny mpanohitra RMDM – Sahy ho amin’ny fanavotana sy ny mahasoa ny firenena

Sôh’son

Tsy afaka hijery fotsiny ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ny manjo ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao ny mpikambana eo anivon’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demôkrasia eto Madagasikara na RMDM. Nikaon-doha ny amin’izany izy ireo niaraka tamin’ireo sokajin’olona maro samihafa eto amin’ny firenena, toy ny olon-tsotra, mpandraharaha, mpahay lalàna, mpahay toekarena, mpitondra fivavahana, antoko politika, fiarahamonina sivily, tomponandraikitra maro samihafa tsy voatanisa,… Fotoana ihany koa izao nanamarihana ny faha-herintaoan’ity vondron’ny antoko mpanohitra eto amintsika ity. Nandritry ny tontolo andro no nanatanterahan’izy ireo izany fikaonandoha nasionaly izany teny amin’ny foiben’ny RMDM Bel’air Ampandrana. Nizara ho vaomiera 6 ny mpivory ary nanàja ny lalàna sy fepetra ara-pahasalamana ao anatin’izao hamehana izao ny fivoriana. Tsy nihoatra ny 50 ny olona isaky ny vaomiera izay nahitana ny vaomiera ara-pahasalamana, ara-tsosialy, ara-toekarena, ara-politika, ny momba ny lalàna, ary ny serasera. Nitarika ny fikaonan-doha nasionaly izao ny filohan’ny RMDM, Marc Ravalomanana, ary tonga avokoa ireo mpikambana eo anivon’ity vovonana ity izay eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ny tany amin’ny faritra dia afaka nandray anjara tamin’ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana toy ny visioconférence, facebook,…

Feno fahavononana avokoa ireo mpivory rehetra ary resy lahatra fa tsy maintsy atao ny fanavotana ny firenena ao anatin’izao toerana misy azy izao, fijerena ny mahasoa no nojerena fa tsy ny mahafinaritra. Mitaky fahasahiana ny filazana ny zava-misy tsy mety eto amin’ny firenena. Iaraha-mahalala ihany mantsy ny geja misy eo amin’ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny eto amin’ity firenena ity. Hita ho tsy vonona amin’ny fifanatonana amin’ny mpanohitra rahateo ny fitondrana ho amin’ny fiaraha-miasa amin’izao ady amin’ny covid-19 izao. Niaraha-nahita izany rehefa misy ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpanohitra na ireo tsy miombon-kevitra amin’ny fitondrana. Iaraha-mahita sy miaina koa anefa ny manjo ny vahoaka Malagasy fa tena tafahitsoka lalina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka. Ny toekarena potika ary nitontongana izaitsizy. Ny hikaro-bahaolana sy hikatsaka izay hahasoa ny vahoaka no tanjon’izao fikaonan-doha nasionaly nokarakarain’ny RMDM izao. Manana olona amin’izany izy ireo, izay manana ny fahaizana sy ny traikefany. Taorian’ny asam-baomiera dia nisy ny fandravonana ireo fehin-kevitra rehetra nivoaka avy amin’izy ireo. Fahombiazana araka izany no azon’ny RMDM tamin’izao fikaonan-doha nasionaliny izao, no sady fanamarihana ny tsingerin-taona voalohany nijoroany araka ny efa voalaza teo.