DISODISO KELY HATRANY

Disodiso kely hatrany ny filohanay hajaina,
Ka mifanontany tena ny hendry sy ny manan-tsaina.
Moa tadidiny daholo irony teny nolazainy,
Sa dia fampandriana adrisa fa izay no tena hainy?

Disodiso kely hatrany ny filohanay hajaina,
Ka dia maro no efa niesona ary tao ny niala maina.
“Hahazo tohana daholo rehefa mety ho tokantrano”.
Hatreto anefa ny rehetra , toa nitantarana angano!

Disodiso kely hatrany ny filohanay hajaina:
Mifanohitra hatrany ny asa atao sy ny lazaina.
Mody antso no natao fa hisy fizaràna vary.
Tsy azo atao ny hoe mivory , f`indro izy nikabary!

Disodiso kely hatrany ny filohanay hajaina.
Ny mangarahara hatrany no mazàna tanisaina.
Saingy indrisy fa tsy misy, tena hoe tsy misy izany,
Fa dia resaka an-databatra sy kabary fotsiny ihany!

Disodiso kely hatrany ny filohanay hajaina.
Marobe ireo vahoaka no efa tena tonga saina,
Ka tsy te hihaino intsony ireo kabary tsara rindra,
Fa toa hay “ny fidedahana” io no lehibe indrindra!

TSIMIMALO ( 07-08-20)