Haino amanjery MBS – Hoesorin’ ny ben’ny tanàna eo Anosipatrana

Helisoa

Mitohy hatrany ny antsojay ataon’ny fitondràna TGV amin’ireo lazainy fa mpanohitra manelingelina azy.

Nisy ny taratasy nalefan’ny ben’ny Tanàna, Naina Andriatsitoaina manafoana ny fifanarahana bail teo amin’ny roa tonta: CUA sy MBS tamin’ny taona 2000. Raha ny zavatra hita dia mitady ny fomba rehetra ity fitondràna ity, mba ho lalatokana ny vaovao hisy eto amin’ ny firenena. Tsy zakany mihintsy ny hoe ny filoha Ravalomanana Marc no tompon’ity onjampeo MBS ity, nefa araka ny nambaran’ity farany dia sasanangy samihafa izany satria tsy misy hidirany ny fitantanana ny MBS

Raha ny hita dia tena halako bika fotsiny no misy amin’izao, satria ny MBS dia nanaraka tsara ny fepetra rehetra napetraky ny fitondràna amin’ny fanaovana “requisition” ny haino amanjery eto amin’ny firenena… Mandefa ny vaovao miaraka amin’ireo onjampeo rehetra na misy zavatra tsy mety loatra amin’izany satria lasa anaovan’ny fitondràna recupération politique, na hanaovany propagandy politika, ny haino amanjery rehetra eto Madagasikara amin’izao. Koa maninona no amin’izao vanim-potoana misy eto amin’ny firenena tahaka izao no andefasana itony taratasy itony?

Ankoatra izany, ny fifanarahana bail izany dia tsy tokony ho azo ho foanana mandra-pahatapitry ny fifanekena. Toa manao bontolo, sy tsy manaja lalàna foana ihany koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo amin’izao fotoana sy ny ekipany.