EDITO 8 Aogositra – Fitondrana Rajoelina – Manao hadisoana ara-pitantanana indray

Sôh’son

Nanaitra ny maro ny fipoiran’ireo olom-bitsy tomponandraikitra eo anivon’ny fitondrana nanao fanambarana tampotampoka omaly, nilaza fa hatsahatra aloha ny fizarana ny vatsy sosialim-bahoaka, izay nosokafan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo. Efa notanterahina efa ho dimy andro ny fizarana natao vao aato indray aloha.

N’inona n’inona fanazavana natao amin’izany, ny hita aloha dia misy tsy fahaiza-manao ao. Hoan’ny mpamakafaka dia hadisoam-pitantanana tsotra izao ny zava-misy. Ny zava-misy izany izao, dia misy efa nahazo ny fanampiana, misy manana kara-pokontany misy tsy manana fa nahazo. Ireo nahazo koa anefa dia ampahany kely ihany amin’ireo vahoaka mila izany. Ohatra iray amin’izany ny nambaran’ny solombavambahoaka teny amin’ny boriborintany faha-5: 3000 no misoratra anarana, 1000 no voalaza fa hahazo avy amin’ny fitondrana. Niaraha-nahita ihany koa ny zava-nitranga manamarina izany teny amin’ny tanàna maro samihafa, toy ireo teny amin’ny kaomina manodidina ny renivohitra. Izany hoe, efa nisy ny nahazo sy mahazo hatrany amin’ny fanampiana rehetra izay ataon’ny fitondrana, misy ny ampahany amin’izany ihany no azony, ary misy tsy mbola nahazo mihitsy ary mety tsy hahazo mihitsy kanefa tokony hisitraka izany. Mazava loatra, fa hadisoam-pitantanana izany.

Nambaran’ireo tomponandraikitra omaly ireo, fa haverina atao ny fanadihadiana sy fanaovana ny lisitra vaovao ny tokony ho olona hahazo eny anivon’ny fokontany ary ato anatin’ny efatr’andro no hanatanterahana izany. Efa volana maro aty aoriana nanaovana fizarana fanampiana vao misaina izany ireo olona ireo. Efa miha lalina ny fahantram-bahoaka, izay toa ninian’ny fitondrana nikimpiana sy noheveriny fa handeha ho azy ihany angamba, vao mihiratra ny masony sy tonga saina fa hanahirana ity raharaha ity. Efa manao fihetsika vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fizarana ataony ihany vao mikoropaka ny fitondrana mampiato ny hetsika aloha. Hadisoam-pitantanana izany.

Nambara fa hisy ny fandaminana vaovao amin’ny fizarana. Hampiasa olona maromaro avy amin’ny isan-tsokajiny amin’ny rafitra ara-panjakana hatrany amin’ny eny ifotony ny fitondrana. Efa misy olona sahady anefa eny anivon’ny fokontany manahy ny tsy hizoran’izany amin’ny an-tsakany sy an-davany sy amin’ny rariny sy hitsiny tokoa. Midika izany, fa efa mpanao asa tsy manaraka ny rariny sy hitsiny sy efa tsy ahatokisan’ny mponina ny eo amin’izany rafitra izany, efa feno fahalovana. Sahirana ihany koa ny vahoaka ny filazana toa tsy mifanaraka: ny filoham-pirenena milaza, fa mahazo avokoa ny tokantrano amin’ny alalan’ny kara-pokontany; iretsy tomponandraikitra vitsy iretsy milaza fa mbola hojerena aloha izay tokony hahazo. Fitantanana tsy milamina izany, ary hadisoana hatrany atao amin’ny vahoaka Malagasy.