ILAINA NY MANGARAHARA

Izay olo-mitaky ny mangarahara
Ve dia kilasiana fa mpanakorontana?
Amboary ny saina mba hadio tsara.
Aza mora sendaotra, manao valy bontana.

Ambara fa zonay ny manadihady
Izay tena fandehan’ireo fanampiana,
Kanefa nahoana no toa mila ady,
Manao izay hisian’ny fifandrafiana?

Tsy ‘nareo ihany va re no niteny
Fa hoe tena ilaina ny mangarahara?
Sa teny manidina fotsiny ireny,
Fanaon’ny tsy marina sy ny mapara?

Dia tena kendaina ireo sahy manakiana,
Satria ao anatin’ilay fahamehana?
Mieritrereta fa sao dia variana
Manenjika ireo tsy mitovy firehana.

TSIMIMALO (28-07-20)