Fitondrana Rajoelina: tsy mampanara-dalàna – Miiba lava ny fomba fandaminany

Sôh’son

« Tsy mety ny fandaminana », io no hatrany ambentin-tenin-dresak’izay mahita ny filaharambe ataon’ny vahoaka eny amin’ny faritra maro an-drenivohitra, sy ny manodidina hatramin’izay nisian’ny fizarana vatsy sosialim-bahoaka izay. Anisan’ny nisongadina sy nampiteny ny moana ny zava-nitranga teny amin’ny kaomina Bemasoandro eny Atsimondrano tato anatin’izao roa andro lasa izao. Tapaka hatramin’ny làlana mihitsy aza indraindray, ary ny fitohanana manaraka ho azy eo. Ahoana ny amin’ny fiarovan-tenan’ny vahoaka amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19 ao anatin’ny filaharambe sy ny fifampikasohana ary ny fifanosehana? Dia Andriamanitra sisa no mahita sy mihevitra ny momba ny rehetra, fa sarotra ny zava-misy. Toa tsy misy mihevitra intsony ny amin’ny fahatahorana ny amin’ny valanaretina ny maro. Tsy tongatonga ho azy izany fiheverana izany.

Fandaminana tsy mahomby
Ity fitondrana ity no voalohany azo lazaina ho tsy manana fahaiza-mandamina amin’ny fizaran-javatra, indrindra ny sakafo ho an’ny vahoaka. Nisy fotoana nandalovan’ny firenena ao anaty krizy ara-tsakafo, nanomboka tamin’ny fotoana nitondran’ny capitaine de frigate Didier Ratsiraka tany amin’ny taoana 1982. Tsy nahomby ny fitantanan’ny fitondrana sosialista Malagasy tamin’izany ary tsy tafavoaka ny toekarena. Nijaly sy tena sahirana mafy ara-bary ny vahoaka Malagasy. Nisy ny fandaminana amin’ny fizaram-bary sy filaharana voalohany ho an’ny vahoaka teny anivon’ny fokontany rehetra, fa toa tsy nitranga toy ny tamin’ny ankehitriny izany. Ny ankehitriny tsy mandeha amin’izay laoniny ny fizarana eny anivon’ny fokontany sy kaomina. Tsy maintsy misy fisavorovoroana hatrany eny amin’izay tanàna isian’ny fizarana, ary nanomboka tamin’ny fizarana ny tambavin’ny fitondrana izany ary mandraka ankehitriny. Ny filaharana vao maraina mangiran-dratsy hatramin’ny hariva manontolo sy mitehin-ko alina mihitsy aza. Mazava loatra, fa mikorontana ny fiainam-bahoaka ao anatin’izany satria lany andro amin’ny filaharana, ary tsy fantatra na hahazo indray amin’iny andro iny na tsia. Efa nisy ny nody maina fa tsy nahazo tamin’ireo nozaraina hatramin’izay ireo. Harerahana, alahelo, hasorenana sy hatezerana no entina mody. Tsy misy manantena izany 15 andro izany, ary efa firy andro sahady izay no lasa. Tsy milamina sy tsy mahomby ny fandaminana ataon’ny fitondrana.

Tsy voahaja ny sakana ara-pahasalamana
Efa zary litania isan’andro vaky, hatramin’ny zaza mahay miteny no efa mahay ny amin’ny fepetra amin’ny sakana ara-pahasalamana (barrière sanitaire), tokony hataon’ny tsirairay raha vao mivoaka ny trano: aron-tava, fanasàna tànana ary ny elanelana iray metatra. Ity farany no tsy misy manàja intsony ary tsy voahaja intsony mihitsy ao anatin’ny fotoana hizarana ny fanampiana ho an’ny vahoaka. Miendrika fihatsarambelatsihy ny hita atao eny an-kianja toy ny teny amin’ny kianjan’i Malacam na Antaninkatsaka na Alasora na tany amin’ny hafa, izay toy ny voahaja izany. Fa eo am-bavahady sy ivelan’ireny kianja rehetra ireny, fifanosehana tsy ifankahitana miampy ny tabataba sy korontana. Tsy izany ve no tena nafatrafarana mafy tamin’ny haino aman-jery rehetra fa mila manàja ny iray metatra? Inona no dikan’izay fiarovan-tena sy fanajàna fepetra raha ny tapak’andro maraina na iray andro manontolo mifampikasoka, mifanosona sy mifanositosika ery an-dalambe ery ilay vahoaka? Antananarivo anefa no ivon’ny fihanaky ny valanaretina covid-19 tato anatin’ny iray volana izao. Moa tsy tokony nandaniana ron-doha lalina ny fitadiavana vahaolana tsy hahatongavana amin’izao toe-javamisy manerana ny tanàna maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina izao, manoloana ny valanaretina? Tsy mahavita izany anefa ilay fitondrana Rajoelina hita miharihary mazava izany izao.

Mety hihevitra fa hanakaiky ny vahoaka kokoa ny fahatongavan’i Andry Rajoelina miresaka amin’ny vahoaka tezitra sy manahy mafy fa tsy hahazo fanampiana. Hadisoan-kevitra be mihitsy anefa izany, fa efa fitsaboana ny zava-misy sisa ireny, efa miseho ny olana, ary asa hanao ahoana ny hiafaràny? Efa tsy fahaizana manao zavatra mihitsy no hitan’ny vahoaka maso satria tsy indray mandeha na indroa intsony no mitranga ny tsy fahombiazana amin’ny fandaminana, ary efa ho lava izy ity. Raha tsy nihetsika toy ireny aza ny vahoaka nitabataba naneho ny tsy milamina eny aminy, angamba ho lasa lavitra ny fahalovana nitranga nataon’ireo “mpandoa-bary” akaikin’ny fitondrana.