EDITO 6 Aogositra – Fanarenana toekarena – Anisan’ny ho tratra farany foana i Madagasikara

Radafy

Nanao antsoantso be nilaza ho nitady manam-pahaizana amin’arivony ny fitondrana tamin’ny taon-dasa. Naresaka io raharaha io tamin’izay ary naneho fa tsy ampy manam-pahaizana, mba tsy hilazana hoe tsy mahay ny olona eo anivon’ny fitondrana. Nisy mihitsy ny fampidirana olona avy any ivelany niasa teo anivon’ny fitondrana taorian’izay rehefa nisy ny fanovàna governemanta. Hatraiza anefa ny vokatr’izany taloha sy mandritry izao fotoana hiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihanaky ny valanaretina izao? Aiza ho aiza ny paik’ady matotra sy feno fahendrena amin’ny vahaolana amin’ny fanarenana ny toe-karena aorian’izao krizy lalina izao?

Nanolo ny Praiminisitrany ny filoha frantsay na dia nahay aza ny teo aloha. Anisan’ny nisafidianana ny Praiminisitra ankehitriny, raha ny fantatra, dia noho ny fahaizany tamin’ny fahitana paik’ady tsara mahomby amin’ny dingana miandalana amin’ny fialàna amin’ny fihibohana, ka naharesy lahatra ny fitondrana. Manao ahoana kosa izay paik’ady izay miatrika ny hamehana ara-pahasalamana sy ny aorian’izany, sy ny olona mahita lalan-kombana mazava hiarenan’ny toekarena haingana?

Poitika ny toekaren’ny firenena ankehitriny. Voalaza fa zara raha misy 0,8% ny fitombon’ny taha ara-toe-karena amin’ity taona ity, raha novinaina hahatratra mahery kelin’ny 5% izany tany am-piandohan’ny taona. Mety ho miiba mihitsy aza io taha io raha ny fandinihan’ny mpamakafaka sasany. Tokony hiakatra ho 4% mahery kosa io amin’ny taona 2021 raha ny nambaran’ny Banky iraisam-pirenena. Amin’ny fomba ahoana anefa no hahatratraran’izao fitondrana izao izany taha izany? Ho sarotra tokoa ho azy ny hahatratra an’io isa io raha mijery ny taona 2018 -2019, raha araka ny fanadihadiana ihany.

Nidehaka nilaza drafitra iray, izay nindramany ny voambolana malaza an’ny firenen-kafa, ny filohan’nny Repoblika Rajoelina, ho enti-manarina ny toe-karena na dia tsy mbola tafavoaka ny “ala” aza i Madagasikara. Toa tsy hita akory anefa ny fiakon’izany tany amin’ireo mpisehatra ara-toekarena samihafa sy ny fientanan’ny olom-pirenena mavitrika eo amin’ny seha-pihariana. Toa tsy nisy nanankim-po tamin’izany na velom-panantenana. Hampandringa ny asa hotanterahina izany. Antony iray, ny fahitana ny fiovaovan-kevitra lava amin’izay laharam-pahamehana tanterahina manoloana ny toe-javatra mitranga andro aman’alina eto amin’ny firenena, sy ny fomba fiasa izay miharo politika hatrany.

Ho firenena tratra aoriana amin’ny fiarenana ara-toekarena ve i Madagasikara? Ho firenena sahirana miàla ao anaty ady amin’ny fihanaky ny valanaretina no sady hiady laharana any amin’ny rambony amin’ny firenena mahantra maneran-tany? Ny hamisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa. Tsy tonga ho azy amin’izao toy ny mana ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka sy ny fisandratan’ny firenena, fa miankina amin’ny fomba fiasa vaovao, sy toe-tsaina vaovao ara-piheverana sy firehana mendrika amin’izao vaninandro izao.