Tsy voafehin’ny fitondrana ny coronavirus – Mandady ny vahoaka, milofika ny toekarena

Andry Tsiavalona

Efa ho efa-bolana sy tapany izao no tafiditra teto Madagasikara ity valanaretina Covid-19 ity. Tsy nitsahatra nitombo ny isan’ireo tratry ny valanaretina sy ny maty. Iaraha-mahalala ny fototry ny nahatrarana izao tarehimarika mampivarahontsana izao. Naterak’izany dia nikorosofahana ny fiainam-bahoaka sy ny fihariana ary ny lafiny sosialy.

Maro ny antony nahatonga ireo fahasahiranana maro samihafa ireo. Ny voalohany amin’izany dia ny tsy nanidiana ny sisintany tamin’ny fotoana tokony ho nanaovana izany, ka namelana ilay fiaramanidina avy any Eoropa nitondra mpandeha izay efa nisy nitondra ny tsimokaretina. Ny faharoa dia ny niheveran’ny fitondrana fa tsy mampatahotra noho ny kolera sy pesta ity valanaretina ity ary ambonin’izany dia efa nihambo ho efa namokatra fanafody enti-miady amin’ny aretina ny fitondrana tamin’ny alalan’ny IMRA. Nanaovan’ny filohan’ny Repoblika dokam-barotra tsy nisy toy izany ity fanafody CVO ity, ka nilazany fa aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao sady efa nisy mpaminany vavy breziliana rahateo koa tonga teto nanambara fa i Madagasikara no hanavotra izao tontolo izao avy amin’ny alàlan’ity ny fanafody ity. Angamba, noho ireo seho ireo dia nisy firenena afrikana maromaro no nandefa fiaramanidina mpitondra entana (cargo) naka ny anjarany ary nisy firenena iray mihitsy niverina fanindroany naka indray. Tsy fantatra moa na nividy izy tamin’ity fiverenany ity na mbola fanomezana maimampoana ihany.

Araka ny vaovao tamin’ny tapabolana lasa iny anefa dia nivoaka tamin’ny tambazotra samy hafa, fa nisy firenena afrikana maromaro nanambara fa tsy nahitam-bokatra araka ny niheveran’izy ireo azy ny CVO. Niteraka resabe izany ka maro no mihevitra fa hiteraka fahafaham-baraka ho an’ny Firenena izany raha toa ka mitombona izany toe-javatra izany. Nentin’ny fitondrana nanohitra izany dia nialohan’ny famoahana ny tarehimarika amin’ny haino aman-jery isaky ny atoandro dia nisy olona nasaina nijoro vavolombelona fa sitran’ny CVO. Mbola nanamafy ny fahombiazan’ny CVO moa ny filohan’ny Repoblika tany amin’ny faritra avaratra andrefana iny nandritra ny fitsidihana nataony tany ny faran’ny herinandro lasa iny.

Raha hiverenana anefa ny tarehimarika dia raha telo tany am-boalohany no nitondra ny tsimokaretina dia nanaitra ihany raha andro maromaro taty aoriana dia nahatratra fitoambienimpolo (67) ny nitondra ny tsimokaretina araka ny fitiliana nataon’ny IPM, ka niteraka resabe sy nampiantsoana ny tomponandraikitra tao amin’ity laboratoara ity teny Iavoloha, izay nangatahana fanazavana tao anatin’ny andro vitsy. Nasiana “doublon” ny laboratoara taorian’izay kanefa ny tsapa dia arakaraky ny nampitomboina ny laboratoara (dimy ankehitriny) no nampitombo ny voamarina fa mitondra ny tsimokaretina, izay efa nisy eninjato mahery andro maromaro lasa izay ary efa mananika ny 110 mahery ny namoy ny ainy hatramin’ny alakamisy lasa teo. Raha ny tarehimarika ofisialy aloha dia mihena isan’andro tokoa ny isan’ny mitondra ny tsimokaretina ary mitombo ny isan’ny sitrana kanefa ny mamoy ny ainy koa dia miaka-midina.

Araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika ny faran’ny herinandro teo dia tsy ho ela dia ho resy ity valanaretina ity, araka ny vinavian’ireo siantifika, hono. Heverina anefa fa tsy kajy na tranga iray afaka hilazana fa raha izao ny antony dia tsy maintsy izao no fiantraikany (phénomène de cause à effet) ny fihanaky ny valanaretina, ka hahafahana manome valiny tsy azo iadian-kevitra. Tsy afaka manome toky ihany koa ny filohan’ny Repoblika Rajoelina fa raha omena fanampiana mahavita fianakaviana iray mandritra ny iray volana ny fitondrana dia tsy ho afaka ny fahasahirana nianjady taminy tao anatin’izay volana efatra niainany tao anaty fihibohana izay.

Raha tena mahatsapa sy miaina izany fahasahiranam-bahoaka izany ny fitondrana dia izay vola noheveriny sy notapahiny hanatanterahana ny “fly over” amin’ny toerana roa eto an-drenivohitra amin’ity taona ity dia hanampiana ny vahoaka satria tsy hiteraka fidiram-bola ho azy izany fotodrafitrasa izany. Rehefa atao ny tambatra dia tsy ao an-tsain’izao fitondrana izao mihitsy ny tombontsoan’ny firenena sy ny fampivoarana ny fihariana sy ny sosialim-bahoaka, fa mibahana ao aminy ny fampisongadinan-tena sy fisehosehoana.