4 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

Ny Mapar no nampianatra hoe rehefa tsara akanjo ny vadin’ny filoha dia mila critique. Nahazo anarana mananasy ilay akanjo. Ny Mapar no nampianatra anay hoe tsy azo hoanina ny lalana. Fa ankehitriny efa fihinana.

Ny Mapar sy Rajoelina no nampianatra anay hoe tsy laharampahamehana ny fanamboarana 5 etoiles, izao toa laharam-pahamehana indray. Fa rehefa izy no manao azy dia lasa laharampahamehana.

Ny Mapar no nampianatra anay hoe mila maneho hevitra ho marikin’ny fitiavana ny tanindrazana, fa izao izay mitsikera dia tsy tia tanindrazana.

Ny Mapar no nampianatra anay hoe mila midina andalam-be rehefa tsy mety ny ataon’ny mpitondra ary hetsi-bahoaka no anarany, fa izao izay mitady anao izay dia fahavalom-pirenena sy mpanakorontana ny anarany.

Rajoelina sy ny forongony no nampianatra hoe rehefa maneho hevitra dia afaka mitondra vatam-paty eny @ 13 mey, zao izay miteny dia rahonana hoe te hihinana mangahazo na gagazo angaha?

Tsy maintsy hisy farany raha jiaby e!

Miora Razanajatovo
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao