EDITO 4 Aogositra – Fiainam-pirenena – Miaina fikorontanam-pivelomana ny Malagasy

Sôh’son

Miditra sy mandia ny volana fahavalo amin’ity taona 2020 ity sahady isika ankehitriny ary volana fahaenina amin’ny iainan’ny firenena ao anaty hamehana ara-pahasalamana. Izany hoe efa ho tapa-taona maninjitra izao no miaina ao anaty krizy ara-pahasalamana, sy fikorontanam-pivelomana ny vahoaka Malagasy; ary miady mafy mikatsaka izay faraingo mety ahafahana misaringotra amin’izay fahamarinan-toerana ny sehatra tsy miankina toy ny orinasa maro sy seha-pihariana isan-karazany. Manoloana izany rehetra izany, tsy hita mazava izay sori-dàlana izoran’ny firenena amin’ny fitantanan’ny fitondrana azy ivoahana amin’izao haizin’ny krizy lalina izao.

Zava-droa loha, araka ny efa nambarantsika hatrany, no ady atrehin’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao ary efa naharitra am-bolana maro izao: ady amin’ny valanaretina covid-19, izay tsy mbola hita soritra ny haharesy azy ; sy ny ady amin’ny fiainana andavanandro, mba tsy ho resin’ny hanoanana sy ny faharefoana ara-tsakafo mamely isan’andro. Hita ho tsy manana vahaolana maty paika sy hentitra amin’izany ny fitondrana, na izany teo amin’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina, izay miovaova hatrany noho tsy fahafehezana azy ; sy indrindra ihany koa eo amin’ny lafiny fitsinjovana ny vahoaka.

Tampotampoka eo tsy hita intsony ny tohin’ny fanampiana ny vahoaka, tampotampoka eo indray dia iny ny filohan’ny Repoblika fa misidina mitety faritra amin’ny fiaramanidina andaniam-bola be ary mizara vary sy zavatra hafa, ary aorian’izany eto an-drenivohitra vao milaza ho manokatra amin’ny fomba ofisialy ny fizarana vary izay ataony.

Ny tsikaritra ao anatin’izany rehetra izany, fanina ilay vahoaka ary tsy fantany intsony ny hoe inona ity zaraina eroa ity ? ary inona ny etsy ? Izany hoe, aiza amin’izao ilay fanampiana telo alina ariary ? ary aiza sy iza indray koa no hahazo ity fanampiana amin’ny vary iray gony miaraka amin’ny entana hafa anaty baoritra ity? Toa misy olona mahazo fanampiana hatrany isak’izay mipoitra raha ny nambaran’ny olona sasany eo anivon’ny fokontany, dia misy hafa mahazo ilay « tosika fameno » andiany faharoa, misy ihany koa ireo sasany misitraka hafa, ary misy tsy mahazo mihitsy na amin’ny inona na inona kanefa sahirana mafy ary dia valalanina eo ny sainy. Ny toerana hakàna azy indray koa amin’izany tsy hita beny ihany, fa toa misy vaovao tampoka eo, ny teo aloha ny sasany toa mangingina fotsiny amin’izao, ny mason’ny mponina zary miandry vasoka miandry izay higadonany eo nefa toa ho lany andro fotsiny. Tsy mazava amin’ny vahoaka intsony izay marina, hita izany indrindra amin’ireo mponina any amin’ireo kaomina manodidina tsy lavitra ny renivohitra. Izany rehetra izany tsy ahenoina fanazavana avy amin’ny fitondrana.

Volana fahavalo no diavina, makadiry ho an’ny vahoaka malagasy ny fahavalo atrehiny sy iadiany irery. Mbola mazana sy lavitr’ezaka amin’ny vahoaka ny hamita indray ity volana ity, izay nilazana fa any amin’ny farany vao ho tratra ny faratampony amin’ny isa ambony indrindra amin’ny valanaretina. Tsy mifanaraka amin’izay, fa miha- midina kosa etsy andanin’izany ny heriny ara-batana noho ny fikorontanana sy ny fihenan’ny fidiram-bola isan-tokantrano, mbamin’ny lazon’ady samihafa manohintohina ny fivelomany. Ny vahaolana tampotampoka mipoitra, izay toy ny « tip top » ihany ny fahitàna azy, toa mora atelin’ity volana ity ary tsy hahavitan-dàlana miampita ny volana manaraka.