IRAY HETSY NIDINA HO TELO ALINA ?

Toa tena naidina ambany dia ambany
Ilay hoe vatsy tohana natao ho toky?
‘Zahay ‘ty toa tena milentika hatrany,
‘Nareo toa miletra, tsy mahalala voky!

Tsy nety voatana ilay hoe “iray hetsy”,
Fa dia nitotongana ho “maizina telo”?
‘Nareo ry mpitondra aza dia fetsifetsy,
Jereo re ‘zahay f’efa mampalahelo !

Ilay hoe “telo alina” anie ka fantaro:
Tsy vidin-tsakafonareo indray miantsena!
Koa dia aza gaga raha toa ny olo-maro,
Mandika an’izao ho fandrebirebena!

Dradraina ho mitobaka ireo fanampiana,
(Satria ny mpamatsy matoky anareo !).
Kanjo ampahany kely no “silisiliana”,
Ary itsofa- mozika , ampiakarana feo ?

… Dia mba lasa mankaiza ary izany ny sisa,
Fa te hahafantatra anie ny vahoaka!
Miomàna, miomàna f’izahay « tsy gisa »,
Fa mahay manisa ary hitaky ampamoaka !

TSIMIMALO (20-07-20)