RMDM – Hatsangano ny governemantan’ny fanavotam-pirenena

Ravao malaky io governemanta io, hatsangano ny governemantan’ny fanavotam-pirenena, izay no anisan’ny nambaran’ny avy amin’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara), nitafa tamin’ny mpanao gazety androany maraina teny Bel’Air Ampandrana. Tsy voafehy mihitsy hoy izy ireo ny valanaretina coronavirus, ka tokony hajoro io governemantan’ny fanavotam-pirenena io. Izany akory tsy midika fa mitady seza ny RMDM, arofanina sy torohevitra ihany ny azy ireo hoy ny mpitondra teniny, Pasitera Edouard Tsarahame.

Ankoatra izany, hanatanteraka fikaonandoham-pirenena ihany koa ny RMDM ny 10 aogositra 2020 ho avy izao, hanasany sy hiantsoany ny hery velona rehetra tsy ankanavaka eto amin’ny firenena, hidinika ny tena hamahana izao olana ara-pahasalamana sy ny olana rehetra tsy voavaha eto amin’ny firenena izao.

Farany, mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra ny ministry ny serasera teo aloha, Harry Laurent Rahajason, na Rolly Mercia izy ireo, izay avy amin’ny RMDM ihany koa. Izany hoy ny fanambarana dia fototry ny fitoniana amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.