Politikam-pampandrosoana – Tsy mihetsika amin’ny toerany na mihemotra mihitsy i Madagasikara

Sôh’son

Ny fahitana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao eo amin’ny lafiny fitantanam-pirenena dia maneho tanteraka fa mbola tena ao anatiny ary ampiainina lalina amin’ny endrika firenena tena mahantra, tsy mandroso na « sous-développé », taraiky amin’ny lafiny maro samihafa i Madagasikara. Ny fahitana sy fahatsapana ny fomba fitantanana ny firenena dia tena maneho miharihary izany. Ny fihetsika sy ny fomba fitenin’ny mpitondra dia porofo mitohoka amin’ny tendany fa firenena toy izany no tantaniny hatramin’izay nahateo amin’ny fitondrana azy. Ny fomba fiheverana sy fandraisana fepetra asehon’ny mpitondra amin’ny toe-javatra samihafa amin’ny fitantanam-panjakana na indrindra zava-tsarotra mifandraika amin’ny fiainam-bahoaka dia mamaritra mazava, fa tsy hita mihitsy ny fiaingàn’ity firenena ity hiàla amin’ny toerana mampihitsoka azy sy mihazona azy amin’ny laharana rambony maneran-tany.

Tsy mandroso na mihemotra mihitsy aza i Madagasikara hatreto. Ny toe-tsain’ny mpitondra no itarafana voalohany izany. Mihevitra ny vahoaka entiny hatrany ho toy ny zaza bado ny mpitondra amin’ny alalan’ny fihetsika na fiteny; manao tian-kano tsy tian-kano ny omeny ny vahoaka na dia ambilom-bazana aza no atolony, izay ambarany ho fitsinjovana azy ireo; tsy izay andrasan’ny vahoaka maika no tanterahiny ao anaty fotoana fohy fa zavatra hafa mahamaika sy ifotoran’ny mpitondra, ohatra: ny colisée eny amin’ny lapan’i Manjakamiadana; hanao tramway sy ny fiara Gasycar, sns… Fanampin’ireo ny fametrahana ny toeran’ny antoko mpanohitra sy ny fahalalahana maneho hevitra mbamin’ny asa fanaovan-gazety, izay tena saro-toerana tokoa.

Tsy mandroso na mihemotra mihitsy aza i Madagasikara hatreto. Ny toerana misy ny vahoaka sy ny fiainany izany no endrika faharoa isehoan’izany. Zarina hatrany sy iniana hitoetra hatrany hanana toe-tsaina zaza ny vahoaka eo amin’ny seha-panabeazana azy, hany ka ambany ny lentam-pahatsapana ho olom-pirenena tompon’andraikitra. Miharihary izany rehefa nasaina mandray andraikitra sy hiara-hientana izy amin’izao ady amin’ny valanaretina coronavirus izao. Dia avy eo indray lazaina ho mafy loha sy maditra. Zarina hatrany ny hiainany sy hahari-pery azy miatrika fahasahiranana sy fahantrana, ka alentika ao an-tsainy mandrakariva fa tsy mora ny manarina ny firenena, na manao zavatra, na ny fanelingelenan’ny mpanohitra ny fitondrana tsy ahafahana mampandroso ny firenena. Izay fanabeazana azony izay no mamaritra ny fomba fiainana manontolo andavanandro eo anivom-piaraha-monina eo, ka tsy hita taratra izay fivoarany ho amin’ny tsara kokoa sy ny finiavana hikatsaka izany marina. Dia iaraha-mahita ny vokatr’izany ary iaraha-mitanty ny vokany araka izay sehatra tandrify azy.

Toetra mampiavaka ny firenena tsy mandroso “sous-développé”sy tena mahantra eto amin’izao tontolo izao izany. Madagasikara dia tena ao anatin’izany tanteraka amin’izao, ary miendrika hazonina amin’izany toerany izany izy raha ny fahitana ny zava-misy. Mazava loatra fa misy mahazo tombontsoa sy miaro tombontsoa manokana matoa iniana tsy alàna ao anatin’izany ny firenena, na ihany koa mody sarihina hiàla dia averina amin’ny toerany teo aloha ihany avy eo. Politika maloto izany ary heloka bevava “haute trahison” atao amin’ity firenena sy vahoaka mahantra ity.