EDITO 21 Jolay – Fitondrana Rajoelina – Mila mahatsapa tena mametra-pialàna rehefa tsy mahomby

Sôh’son

Any amin’ny firenena mandroso, indrindra ireo firenena tandrefana, dia zava-dehibe ny mitàna andraikitra eo anivon’ny fitondrana ao amin’ny fireneny. Misongadina ny fahatsapan-tenany amin’ny fanomezan-danja ambony ny vahoaka nanome fahefana azy. Ho azy ireo, dia tsy ilay nanome fahefana azy no omeny lanja sy hindrahindrainy amin’ny fotoana samihafa, fa ny vahoaka izay fantany tsara fa izy ireo no tompom-pahefana marina. Araka izany rehefa misy tsy fahavitàny ny andraikitra nankinina taminy amin’ny fitantanam-pirenena, na misy toe-javatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, izay andrasan’ny vahoaka aminy, dia mametra-pialàna izy. Fahita izany any amin’ny tany mandroso.

Tsy hoe tsy misy izany eto amintsika, saingy rehefa tafiditra ao anaty raharaha sarotra sy manahirana mety haha-voarohirohy azy vao mametra-pialàna. Toy izany, ohatra, ny tranga momba ny minisitry ny fampianarana teo aloha, volana vitsy lasa izay. Fa amin’ny ankapobeny, tsy toy ilay toe-tsaina ananan’ny tompon’andraikitra any amin’ny tany mandroso ny zava-misy eto. Misy olona tomponandraikitra ambony tena tsy tahotra tsy henatra izao mihazona ny sezany mafy, ary sahy miteny fa tsy hiàla. Misy sahy miteny, fa “toy izao no nametrahana na nahavoatendry ahy eto amin’ity toerana ity, ka toy izao ihany koa ny fomba hanesorana ahy eto”. Efa hitam-bahoaka izao anefa ny tsy fahombiazana eo amin’ny andraikitra tànany. Mazava loatra, fa tsy misy lanjany sy vidiny aminy mihitsy ilay vahoaka tompom-pahefana, fa ny nanendry azy na ny fomba nahavoatendry azy no ambony. Hita miharihary mihitsy aza matetika eny amin’ny sehatra samihafa rehetra eny, fa izy mihevitra ny tenany ho tompoina sy mendrika ho hajaina fatratra, ary ny vahoaka manompo sy manao izay ambarany na takiany.

Ny zavatra tsara any amin’ny firenen-kafa, mba tokony halain-tahaka ihany ho an’ny mpitondra eto amin’ny firenena. Fototra iray lehibe amin’ny hipetrahan’ny fitokisam-bahoaka aminy izany. Ny fahitan’ny vahoaka tompom-pahefana ny fifikiran’ny tomponandraikitra ambony iray amin’ny toerany, na dia hita an-karihary izao aza ny efa tsy fahombiazany, no miteraka hatrany ny fiitaran’ny elanelana amin’ny roa tonta. Mazava loatra, tsy hisy fandrosoana marina ny firenena vokatr’izany fihetsiky ny mpitondra izany. Môdely iray tokony hasehon’ny mpitondra ankehitriny izany raha tena mahatsiaro ho tomponandraikitra marina tokoa, mila mametra-pialana izao fitondrana Rajoelina izao rehefa hita izao fa tsy mahafehy lafin-javatra maro amin’ny fiainam-bahoaka.