Ady 2 lehibe no atrehin’ny vahoaka Malagasy

Sôh’son

Mizaka ny tsy eran’ny ainy ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao. Raha ady iray lehibe monja no atrehin’ny fitondrana, ny an’ny vahoaka ady roa lehibe. Ady roa lehibe izay misoko hanapotika azy, ary tsy mamela azy ho afa-bela. Ny iray voalohany dia efa namely azy hatry ny ela, dia ny fahasahiranana mafy ara-tsosialy sy ny fahantrana lalina; ny faharoa dia ity ady ara-pahasalamana nanomboka ny volana martsa lasa teo ity ary efa ho efa-bolana izao no niatrehany azy. Ity ady faharoa ity dia tsy mbola fantatra ny fotoana hiafaràny sy izay toe-javatra hiafaràny, fa samy maminavina fotsiny amin’izay takatry ny sainy eo ny rehetra.

Mandainga sy mihatsaravelatsihy ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina raha milaza fa mahalala sy mahatsapa ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy manontolo. Tsy lavina, mety misy ihany fantany ny momba azy, fa tsy isalasalana fa vondron’olona vitsy na ampahany kely amin’ny vahoaka ihany ireo. Tsy ny Malagasy rehetra akory no fantany ny momba azy, fa resaka fampandriana adrisa ny azy no betsaka. Misy ampahan’olona tena sahirana mafy ankehitriny, efa tsy mahita hohanina intsony nefa tsy maintsy miatrika ireo ady roa lehibe ireo. Amin’ny fomba ahoana moa no ahafahan’izy ireny mandresy izany? Ireny sokajin’olona ireny anefa dia tsy ao anaty kajin’ny fitondrana velively ny fitsinjovana azy. Tsy misy rahateo ny rafitra mitsinjo azy satria tsy ao anaty kajy napetraky ny fitondrana eny anivon’ny fokontany izy ireo. Iaraha-mahita sy mahalala rahateo ankehitriny ny olona voatendry sy hiasa ao anatin’ny antsoiny hoe “komity loharano”. Tsy mahafa-po ny mponina misy azy ny fomba fiasany hatramin’izao. Porofon’izany ny tsy firaikàna mahita ireo mpikambana ao anatiny eny rehetra eny. Izy ireny no tena rafitra iray tokony ho akaiky ny vahoaka, ny mponina, amin’izao ao anaty fahasahiranany lalina izao, kanefa tsy izany no tsikaritra hatreto.

Nambaran’ny fitondrana, fa mafy loha ny vahoaka, sarotra tenenina tany aloha kely tany noho izy tsy mahafehy ny fepetra raisina rehetra amin’ny fiarovan-tena. Ho an’ny fitondrana dia ady iray loha no ao an-tsainy, fa nohamaivaniny ny ady faharoa atrehin’ny vahoaka sy manorotoro azy. Ny mampiasa saina bebe kokoa ilay vahoaka, indrindra ireo sokajy tsy ao anaty kajiny voalaza etsy ambony, dia fitadiavana ny hohanina anio, fa ny ampitso aza tsy mbola eritreretiny akory. Tsy tsapan’ny filohan’ny Repoblika sy ny mpiara-miasa aminy velively izany havesatry ny adin-tsainy izany, fa miseho ho mahalala eo fotsiny izy. Ny zava-bitany amin’ny fanampiana ny vahoaka dia toy ny zaitra natao tamin’ny rovitra omby tondro fotsiny ihany, fa amin’ny omby loha sy vatana mihitsy aza niàla maina.

Efa mafy dia mafy ny fiatrehan’ny vahoaka ny ady amin’ny fahasahiranana andavanandro sy ny fahantrany. Vao mainka koa anefa ity miha-henjana isan’andro ny ady atrehiny amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Hanao ahoana no hiafaràn’ity vahoaka Malagasy ity? Andriamanitra sisa no mahalala sy mahita izay hiheverana azy.