ANTSO HO AN’NY MPITONDRA FANJAKANA

Impiry ianao no nikabary, Andriamatoa filoha hajaina?
Saingy hatreto ny mpampianatra dia indrisy niala maina!
Fa tsy tazanao mihitsy na nanangan-tanana aza,
Ary hatreto, tsy nahazo izay mba “tohana” sahaza!

Tsy dia mahazatra anay ilay mangataka mivantana.
(Raisinay ho fahendrena ilay mba hoe “mahandry tantana”!)
Saingy misy fetra ihany izany atao hoe fiandrasana.
Diso aoriana raha hiandry ny figaonan’itsy fasana!

Efa noana, tena noana sady lanaka izahay,
Satria mandia ny “efa-bolana” ito sedra mahamay.
Tsy hoe mandindona intsony, f’efa an-koditra ny voina,
Koa alefanay ny antso, dia meteza mba hanoina!

“Taolana mitafy nofo” no efa tazana mamindra.
Koa raha mbola “ny fitiavana”, io no “lehibe indrindra”,
Dia andeha tolory tanana ‘reo mpampianatra tsy miankina,
F’efa maina ny vilaniny, ny rononony efa tankina!

Izahay raha hoe miteny, tsy dia te hanava-tena,
Saingy izany “mpanabe” dia tena “ain’ny firenena”!
Koa miangavy am-panajana, atero isan-tsekoly re,
Izay heverina ho “tohana” mendrika ny mpanabe!

SEDERA RAVALISON (13-07-20)