16 Jolay – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao sy ny mpamaky azy izao manaraka izao, ary amin’ireo izay mety hiantefany ihany koa : mpanohitra mafy indrindra teo amin’ny tantaran’i Madagasikara 2009-2020, ny antoko TIM sy ny filoha Marc Ravalomanana. 11 taona teo amin’ny sehatrin’ny fanoherana! 11 taona niady tamin’ireo Néocolonialiste na mpanao fanjanahana amin’ny endriny vaovao.

Raha ny ankamaroan’ny Antoko politika tsy hita intsony rehefa tafiala filoham-pirenena ny lehibeny dia ny TIM anefa mbola mitoetra hatramin’izao! « Antoko mpanohitra Matanjaka» io no azo lazaina momba ny TIM. Ny tena mampiavaka azy dia ilay hoe « Tiako i Madagasikara » fa tsy hoe miaraka Amin’ny Prezida Ravalomanana izany hoe tena fitiavan-tanindrazana, fa tsy fanindahindrana olona. Ny filoha mpamorona azy moa dia i Marc Ravalomanana. Mpanohitra mafy indrindra teo amin’ny tantaran’i Madagasikara. Na dia ahetry any aminy avokoa izao lainga rehetra izao tahaka ny hoe: « Nangalatra volam-panjakana, namono olona » dia mazava fa tsy mihontsana akory izy ary tsy taitra fa dia misotro kafe sy mihinana mofo Gasy ao Faravohitra sady milalao sy mitsikitsiky miaraka amin’ireo zafikeliny. Tsy matahotra akory ny higadra satria ny marina tsy mba maty!

Ka hoy aho: an an an, aza mody alefa any amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny volam-bahoaka hiadivana amin’ny coronavirus nataonareo tany amin’ny paradis fiscaux. Tamin’ny fitondrany no tsara indrindra ny ady amin’ny kolikoly teto amintsika, ka tsy izy indray no hanao kolikoly sy hanodina volam-bahoaka izany.

Aina Rasolo
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao