Fanadinam-panjakana – Atao alasafay ny fijerena ny haavo lentam-pahaizan’ny mpiadina

Radafy

Nambaran’ny fitondrana iny ny datim-panadinana ara-panjakana amin’ny Cepe, Bepc ary Bakalorea. Miteraka adihevitra be ihany ho an’ny maro ny ny datim-panadinana indrindra ho an’ny Cepe sy Bepc. Nambaran-dRajoelina mantsy, fa any amin’ny faran’ny volana aogositra any vao ho tonga amin’ny “pic” na ny tendro ambony indrindra amin’ny fihanahana sy ny famelezany ny valanaretina covid19 isika eto Madagasikara. Izany hoe aorian’io andro io vao hanomboka hihena miandalana ny fihanahany sy ny vokany. Araka izany tsy mbola ho resy akory ity areti-mandoza ity fa mbola eo ihany ary mbola mety hitombo raha tsy misy ny fitandremana fatratra amin’ny septambra.

Manoloana izany, ahoana ny amin’ireo kilonga madinika hiatrika fanadinana ny ampitson’io andro io? Ary afaka tapa-bolana aorian’izany ny an’ireo mpiadina hiatrika ny Bepc. Efa hilamina tanteraka ve ny tany, ny krizy ara-pahasalamana amin’io andro io, ka tsy hisy ahiana ny momba azy ireo? Mbola somary lavidavitra aloha ny amin’ny Bakalorea, ka mampitony kokoa ny saina, nefa sahy hilaza ve ny fitondrana fa efa resy tanteraka ny covid-19 amin’izany andro izany? Raha hisy datim-panadinana hihemotra sanatria, tsy hahatohintohina ny daty an’ireo fanadinana hafa ve izany? Hiaraha-mahita eo ihany ny amin’izany.

Ankoatra izany, niaraha-nahita tsara ny fikorontanana sy ny fiatoatoan’ny fampianarana tao anatin’izao taom-pianarana izao. Tsy misy afaka handà fa tsara ny lentam-pahaizan’ny mpianatra, fa tsy maintsy nidina io. Hita sy tsapa mantsy fa tsy voaaramaso tanteraka ny momba ny fianaran’izy ireo. Hanao ahoana anefa ny hitsaran’ny mpampianatra hitsara ny fanadinan’izy ireo? Moa hanaiky izany sy hiezaka hahazo ny manjo ny mpiadina, ka hampidina ihany koa araka izany ny haavo lentam-pahaizana takiana izy ireo, fa tranga manokana ity miseho sy iainana eto amin’ny firenena ity? Niaraha-nahita ireny tamin’ny taom-pianarana nilamina tsy nisy tranga toy izao, samy nimenomenona sy nanao fanamarihana ireo mpitsara fanadinana fa tena nihena be ny lentam-pahaizan’ny mpianatra niatrika izany. Mainka fa amin’izao ao anaty krizy ara-pahasalamana nandritry ny volana maro izao? Ireo ray aman-dreny no nasaina nisahirana mafy nampianatra ny zanany ao anaty fihibohana an-trano. Tsy hitovy velively anefa ny famerenana atao any an-trano sy any an-dakilasy n’inona n’inona lazaina, tsy misy iadian-kevitra izany.

Hita miharihary fa tsy manana paik’ady mazava amin’ny vahaolana momba izany rehetra izany ny fitondrana. Hita ho manaraka fotsiny ny onjan’ny zava-misy iainam-bahoaka miatrika ny fihanaky ny valanaretina, ary arakaraka izany hatrany no andraisany fepetra. Tsy misy intsony ny fepetra sy fomba fiasa raisina hisorohana mialoha izay mety toe-javatra samihafa hipoitra eto amin’ny firenena. Hany ka raha miezaka mamaha olana eroa, tsy voavaha tsara akory iny, dia mipoitra indray ny olana hafa, ka lasa mivangongo izany sy zary jerem-potsiny na ikimpiana sisa. Vokany, miha-mihitsoka lalina ny fahasahiranana, ny fahoriana sy ny fahantram-bahoaka. Ity resaka fampianarana sy fanadinana, hatramin’ny taon-dasa, sy indrindra ankehitriny ity aza mbola ho “vanja milevina” hanahirana ny firenena any aoriana any.