Raharaham-pirenena – Nitera-doza iny lalana iny, ka tohizo ny lalantsika

Ny Valosoa

Nanakoako ny hira mitondra ny lohateny hoe “Iny lalana iny “ tamin’ny taona 2009, nampiasain’ireo mpanongampanjakana, ny tao anaty tononkira dia misy ny hoe”lalantsarotra”. Nahomby ilay fanonganana ary dia voaporofo ihany koa fa vao mainka tafiditra tamin’ny lalantsarotra ny firenena ary mbola tsy afaka amin’izany hatramin’izao, Ingahy Rajoelina rahateo dia mbola nilatsaka ho fidiana indray farany teo dia ireny niaraha-nahita ireny ny vokany f a tafaverina indray teo amin’ny fitondrana ary mbola izy no mitondra hatramin’izao.

Marihina fa tamin’ny fampielezankevitra nataon’ity mpanongampanjakana ity dia ilay hira hoe “ dia ilay fitia “ indray no natatatata ho ren-tany ho ren-danitra , satria te hampiseho ny Mapar fa manana fitiavana lehibe hanarina ny firenena , ny tena marina koa anefa dia halatahaka tsotr’izao ny nataon’ny Filoha Ravalomanana, izay nanangana ny fikambanana “Tiako Iarivo” raha nirotsaka Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra , ary nanangana indray ny Antoko “Tiako i Madagasikara” ny taona 2002, no nataondRajoelina mianakavy izay te haneho fa be fitiavana noho ny hafa.

I Neny Lalao Ravalomanana koa dia nanangana ny fikambanana “Tiako” hampandrosoana ny vehivavy, dia iny koa fa nanangana ny fikambanana “Fitia” i Mialy Rajoelina.

Tamin’ny fotoana naha Ben’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra ny Filoha Ravalomanana dia nisy ny antsoina hoe “FAR, na Fanarenana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra”, izay nandrotsahan’ireo tsara sitrapo izay foiny hanarenana ny tanàna tamin’izany, nanao tsy omby aloha nanao ny fitia tsy mba hetra ny olompirenena vonona hampandroso an’Antananarivo, ny fitantanana tamin’izany tao anaty mangarahara tanteraka ary hita nisongadina ny asa nataon’ny mpitantana ny tanàna, ka tsy maty antoka ireo mpandrotsa-bola, nirotsaka ho fidiana Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra Ingahy Rajoelina tamin’ny 2007 ary voafidy dia novaina ilay “FAR natao hoe Fitiavana an’Antananarivo Renivohitra” saingy vitsy sisa no namaly ny antso, mba tsy hilazana hoe tsy nisy intsony, mazava ny antony fa tsy nahatoky ilay fitia ankosotra sy sadasada ny vahoakan’Iarivo , ary voaporofo sy tsapan’ny olompirenena fa ny orin’asa “TIKO “ natsangan’ny Filoha Marc Ravalomanana dia vokatry ny fitiavana ny vahoaka Malagasy, mba hihinana sakafo ara-pahasalamana, nanala ny fahasahiranan’ny vahoaka teo amin’ny fahazoana ireo entana nampijaly tamin’ny Repoblika faharoa, toy ny menaka, ny dibera sns… Tsy ireo ihany fa niitatra tamin’ny famokarana ny “provende” sy ny “feed meal” , sakafo ho an’ny biby fiompy, sy ireo zezika nanampiana ireo tantsaha ary manginy fotsiny ny fividian’ny Orinasa Tiko ny vokatry ny tantsaha toy ny ronono sy ny voankazo isankarazany ary indrindra ny fijoroan’ny Fanamby Rice Meal tany Vohidiala faritra Alaotra Mangoro, izay nanafoana ny fanararaotan’ireo mpanambaka ny tantsaha.

Betsaka tsy ho tanisaina ny vitan’ny Filoha Ravalomanana ho an’ny vahoaka Malagasy , fa ny hamehezana azy dia mbola misy ny fanambinan’Andriamanitra matoa tsy maty vonoina ny Antoko TIM, sady vao nankalaza indray ny fahavalo ambin’ny folo taona nijoroany tamin’ny herinandro lasa teo io antoko io ary ny Filoha Ravalomanana mpitaritolona, toa vao mainka aza mahazo hery ary tsy kivy na milofika na dia teo aza ny antsojay tamin’ny endriny samihafa.

Koa tsotra ny hafatra ampitain’ny Gazety Ny Valosoa vaovao , efa nitera-doza “iny lalana iny” ary tsy azo ianteherana “ilay fitia” sandoka, fa tsotra ny antsika dia ilay nambaran’i Dada hoe “TOHIZO NY LALANTSIKA” fa efa nahitam-pahombiazana, lalana maherin’ny 9000 km mahery no efa vita.