Depiote Todisoa – Ravao io governemanta tsy mahomby io

Isambilo

Manoloana ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina amin’ny fitantanana ny ady amin’ny valanaretina coronavirus amin’izao fotoana, naneho hevitra mahakasika izany ny depioten’i Madagasikara avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-6, Todisoa Andriamampandry. Tsy mahomby izao fitondram-panjakana izao hoy izy, noho izany, tokony ho ravana ny governemanta tarihan’ny Praiministra Ntsay Christian io.

Raha ny fanehoan-kevitra avy amin’ny olona maro anefa amin’izao fotoana, tsy ny governemanta ihany no tokony hoesorina, fa ny filoha Andry Rajoelina mihitsy no tokony hametra-pialana, fa izy lohany mihitsy no matsatso, na hoe tsy mamely mihitsy no tena azo ilazana azy.