NY NOFINOFIN’NY ENY AMIN’NY VATOBE (ANDREFAN’NY 67 Ha)

Mba nanantena ery ‘zahay
Hoe ho avy “ry miseho milay”,
Ry mpiedinedina, ry sola,
Hizara vatsy, hizara vola.

Mba nanantena ery ‘zahay
Hoe hikabary “ry mahay”,
Ka tsy hieboebo lava,
Fa hanangana ny rava.

Dia tsy handaitra ny ririnina,
Fa hisy trano “building”,
Hoentina mamaha olana,
Hitsangana afaka iray volana!

Mba nanantena ery ‘zahay
Hoe hiova be ny eny aminay,
hanjary ho lasa Miami,
Ho avotra ny “quatre ‘mi”.

… Hadino anefa fa tsy re
Ny anay eny ami’ny vatobe,
Fa toa ny maika dia ny hoe:
Tohizo hatrany “colisee”!

… Mba nanantena ery ‘zahay
Fa hoe honerana ny may,
Kinanjo indrisy! tena indrisy!
Miandry hatrany ny tsy misy!

TSIMIMALO (08-07-20)