Filoha Andry Rajoelina – Mihiboka fa voan’ny coronavirus tokoa ve?

Araka ny vaovao manomboka miely amin’ny aterineto dia voalaza fa tratran’ny valan’aretina COVID-19 ny filoha Andry Rajoelina. Tsy araka ny nambaran’ny seraseran’ny fiadidian’ny repoblika anefa izany. Ka raha mitombina tokoa izany vaovao izany dia tsy lasa tranon-dainga ve izany ity lapam-panjakana ity? Toa nilaozan’ny marina sy mangarahara tanteraka?
Ny mahagaga dia ity tambavy COVID-Organics izay nodradradrain’ny filoha mamimbahoaka lava fa sady misoroka no mitsabo, kanefa aiza izao izany raha marina tokoa izany?
Raha lainga ity vaovao ity dia mendrika enjehina izay nampiely izany, fa raha marina kosa, dia mendrika ny hiala daholo ireo mpitondra fanjakana miray tsikombakomba amin’ny lainga sy fitantanana gaboraraka.

Lanzelo

Rohy: Madagascar President, Rajoelina Tests Positive For Coronavirus, Is Self-Isolating