Joda Razakasoa – Avereno ny telefônina amin’ny fandaharana mba ho afaka haneho hevitra ny vahoaka

Niaina

Misy ihany koa ny olon-tsotra, olom-pirenena maneho ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana, toy izany Andriamatoa Joda Razakasoa. Nandefa taratasy amin’ny Filoha Andry Rajoelina izy:

Andriamatoa Filoha, amiko manokana mety ny fandraisana fanapahan-kevitra fiverenana amin’ny fihibohana tanteraka eto Analamanga ary mankasitraka izahay fa mangataka izahay mba jereo manokana ireto zavatra ireto: manana paik’ady entina hiatrehana izany fihibohana izany ve ianareo?

Mangataka izahay vahoaka mba ho jerena akaiky ny momba anay fa mitontongona tanteraka ny fiainanay vahoaka Malagasy. Hatramin’izao, tsy hita ilay Kaly Tsinjo, na Kaly Mora, ilay 100 000 Ar teo aloha, maro no tsy nahazo. Aza asiana hoe ny marefo ihany no mahazo fanampiana, fa marefo daholo izahay tompoko, alaiko ohatra :” raha manana fiara miasa any amin’ny faritany ve izahay? Kanefa tsy afaka miasa noho izao zavatra izao” tsy marefo ihany koa ve ny anaranay?

Marefo daholo ny vahoaka Malagasy tompoko amin’izao fotoana, ka tokony ho jerena avokoa fa tsy hasiana fanavahana. Atero isan-tokantrano ny fanampiana raha misy, fa aza avela mankany amin’ny fokontany ny olona, fa miteraka fitangorongoronana izany, rehefa izay no ataonareo tsy misy olona mivoaka ny trano izany, fa manaja fepetra tsara ny olona.

Hajanony ny fizarana VARY MORA, fa miteraka fisavorovorona izany, fa atero isan-tokantrano izany. Avelao ny rano mba tsy ho vidiam-bola, fa sahirana izahay, fa na vola hividianana savony ary mila tsy hahita. Ataovy ny “test” isan-tokantrano mba hamantarana ny tena fiparitahan’ity aretina ity. Ary manaova “test” farany izay tratra ianareo isan’andro. Mametraha tanjona hoe: mila mahavita “test” dimy arivo isan’andro ianareo.

Avereno ny “APPEL TÉLÉPHONIQUE”, mba hahafahanay vahoaka maneho hevitra sy miara-miasa aminareo Fanjakana, aza raisina ho tsikera ny fanehoan-kevitray fa raiso ho fifanampiana izany , fa ilaina ny hevitry ny vahoaka, ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Ekena fa mety 2% amin’ny vahoaka Malagasy no mahazaka izao fepetra izao kanefa tsara ny handraisana izao mba hiadiana amin’ny aretina, fa ampio kosa ireo vahoaka ireo, rehefa misy sakafo ao an-trano tsy mivoaka izany ireo vahoaka ireo, satry aza hatory fotsiny ao an-trano.

Aza manome tsiny vahoaka foana ihany koa hoe izahay no tsy manaraka fepetra, fa miara-miasa isika amin’izay rehetra atao, ianareo mametraka fepetra, izahay manaraka, samy manaja ny fepetra isika rehetra na ianareo fanjakana na izahay vahoaka. Izay zavatra lazainareo mba tanteraho avy hatrany, samy tompon’andraikitra isika fa tsy ny vahoaka foana.

Mankasitraka tompoko.