NY MPITONDRA SY NY CORONA

Toa tsisy sahy niseho tele
‘Nareo lehibe, nahoana ange?
Sa diso vava ka naleo
Nangina tsy namoaka feo?

Fa tena mafy ve ny tolona,
Sa mba efa menatra olona?
Dia ny hafa indray no nampidirina,
Fa naleo nimpirimpirina?

Izao tokoa no hoe “voafehy”?
(Aleo ‘zahay aloha hihomehy!)
Tsy tena hoe hikakakaka,
Sao ‘nareo tsy mahazaka.

Ka hofohazina eto indray
Ireo karazan ‘antsojay,
Sy sarintsarim-panenjehana
Mpahazo anay hafa firehana!

…Fa mba ho anatry ny sisa
Dia jereo ny antontanisan’
Ireo maty sy marary,
Izay ‘nareo vao mikabary.

Aoka izay ny fieboana
Tsy mitera-pandrosoana.
Atsaharo koa ny “kobaka”
Dia sakafo ataovy “bobaka”.

Fa raha voky ny vahoaka,
Corona tsy maintsy hitsoaka.
Hiverina eto indray ny tsara,
Hiadana ‘lay Gasikara!

TSIMIMALO (06-07-20)