Depiote Me Hanitra R. – Mila tohana tohana ara-tsosialy ny vahoaka tsy anavahana

Helisoa

Efa ho 3 volana izao no niditra amin’ny hamehana ara-pahasalamàna ny eto Madagasikara . Maro be ankehitriny ireo very asa, vokatr’izany, miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ny tokantrano Malagasy.

Tato ho ato anefa dia niha-nihakatra isan’andro hatrany ny tahan’ ireo olona voan’ny valan’aretina CORONAVIRUS eto amin’ny firenena, ka nahatonga ny fanjakàna hamerina ny hamehana ara-pahasalamàna ho mafy be indray, rehefa nivaha izany teo aloha araka ny fanambaràna navoakan’ny filankevitry ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Ny tena nandrasan’ny maro anefa dia ny hisian’ny fitsinjovana ara-tsosialy raha misy ny fanapahankevitra toy izany, satria tena mafy ny mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny.

Manoloana izany, maro be ireo fanambaràna ataon’ny olompirenena mikasika io fanapahankevitra noraisin’ny fanjakàna io, ka anisan’izany ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, voafidy tao amin’ny boriboritany voalohany eto Antananarivo, tao tabazotran-tserasera sosialy. Rehefa mihaino anareo aho hoy izy dia tsy confinement total izany no misy amin’izao fa anarany fotsiny. Aleo mampitovy tadin-dokanga tsara ianareo, fa tsy azo intsony ilay izy. Dia aleo hoy izy samy milaza ny asan’ny Ministerany avy fa lasa mifampisalovana ianareo dia very ilay hafatra.

Ilay mesures d’accompagnement na haraton’aina no tena andrasana, fa raha tsy izany dia ho sarotra be io. Mahaiza mandray lesona daholo.